♦ Mitohy mandritry ny 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mbola manohy ny ady amin'ny coronavirus isika hoy ny Praiministra Ntsay Christian alina... ♦ Miisa 9 ny tranga vaovao, mitondra ny coronavirus tamin'ny fitiliana miisa 471 ny Sabotsy 24 jolay teo, miisa 6 no tao Mahatsiatra-Ambony tamin'ireo tranga vaovao miisa 9... ♦ Tsy hahavaha velively ny olana mianjady amin'ny vahoaka Malagasy ny fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena hoy ny UNDD, tranga izy melohan'ny antoko tanteraka... 

Azo sokajiana ho telo miavaka tsara amin'ny ankapobeny raha resahana ny mahakasika ny fizaràna ny taonan'ny olombelona :  ny ankizy, ny tanora, ny antitra ; fa ny tanora no tena maro an'isa. Eo no isehoan'ny hery sy tanjaky ny olona. I Jesoa dia 33 taona no nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty mba hanavotra antsika, ary mitahiry izany hatanorany izany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alatsinainy 26 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 31-35

Ilaina ny fananana fahasahiana eo amin'ny fiainana. Misy fomba fiteny hoe "izay sahy maty no mifono lambamena". Mila mijoro izany isika, mila vonona ny hanao zavatra. Mila ialàna ny toe-tsaina mora kivy na koa tsy mihevitra afa-tsy ny mety ho voka-dratsiny fa mila fahatokisantena sy fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...