♦ Homarihina amin'ny 26 septambra 2021 ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hotanterahana ny volana jolay sy aogositra ny Ezaka fizakana ny Diôsezy... ♦ Nofy, fahatsiarovana, vavaka : ireo no andry telo hanorenana ny ho avy ho an'ny taranaka, hoy ny Papa François, ao amin'ny hafany ho an'ny zokiolona amin'ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, hankalazaina ny 25 jolay izao...

Manao antso avo ny Malagasy Dairy Board na ny "MDB", mitaky ny tsy hankatoavan'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana sy ny Filohan'ny Reôblika ilay lalàna vaovao momba ny fananan-tany, vao avy nolanian'ny solombavambahoaka, ny 30 jona teo. Ny MDB dia vondron'ireo mpisehatra amin'ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara.

♦ Nisy ny fisavana ny trano fonenan'ny iray tamin'ireo olona voasaringotra tamin'ny fikasana hamono ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina. Basy sy bala niaraka tamin'ny vola be no hita tamin'izany... ♦ Misy amin'ireo foibem-pitsarana fanadinana BEPC, no mamarana ny fitsarana taratasim-panadinan'ireo miadina, anio zoma...

Homarihana ny 25 jolay 2021 ny andro maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy renibe ary ny zokiolona, araka ny fanentanana nataon'ny Papa François. MIombom-po amam-panahy amin'ireo zokiolona ny Eglizy maneran-tany  ka manandratra izao vavaka izao :

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...