Entanin'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany mba handray anjara amin'ny fanatanterahana ny sinaodin'ny eveka 2021-2023 araka ny lohahevitra hoe: "Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana".

[audio src="/images/sounds/hc-20211128.mp3" background="#0099ffff"]

Araka ny zava-misy iainany dia samy manana ny fomba entiny manatanteraka izany ny diosezy eto Madagasikara mba hahafahana mahazo ny hevitra maro indrindra momba ireo lohahevitra folo naroson'ny Ray masina ao amin'ilay toro-lalana momba ny sinaody. Fandaharana momba ny fifampizarana nataon'ireo tompon'andraikitra mpandrindra ny sinaody isaky ny diosezy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...