Entanin'ny Papa François ny Eglizy maneran-tany mba handray anjara amin'ny fanatanterahana ny sinaodin'ny eveka 2021-2023 araka ny lohahevitra hoe: "Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana".

Araka ny zava-misy iainany dia samy manana ny fomba entiny manatanteraka izany ny diosezy eto Madagasikara mba hahafahana mahazo ny hevitra maro indrindra momba ireo lohahevitra folo naroson'ny Ray masina ao amin'ilay toro-lalana momba ny sinaody. Fandaharana momba ny fifampizarana nataon'ireo tompon'andraikitra mpandrindra ny sinaody isaky ny diosezy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...