Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

♦ Nanaitra ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ireo fitakiana sy ireo tambikarama, izay efa vary mangatsiaka tsy voaloa an-taonany maro ny SECES... ♦ Miantso ireo sendikan'ny SMMV, mba ho tony sy tsy hitoky afa-tsy amin'ny vaovao marina ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola... ♦ Tsy nitsaha-nihena ny isan'ny orinasa nitsangana teto Madagasikara tao anatin'ny telopolo taona farany, raha ny tatitry ny sendikan'ny indostria eto Madagasikara...

Miantoka ny fahasalamana sy ny fahatokisan-tena ny nify ka mila fanaraha-maso sy fikarakarana tsy an-kiato. Maro ny antony samihafa toy ny tahotra, ny ara-bola, ny tsaho, ny finoanoampoana isan-karazany mahatonga ny olona tsy hikarakara loatra ny nify. Vokatr'izany ratsy ny nify, mitarika aretina maro sy tsy fahatokisan-tena eo amin'ny fifandraisana aman'olona.

Tsy mitovy ny antso sy ny hoe asa. Omen'Andriamanitra antoka aloha ny olona iray mba tsy hatahotra manoloana ny antso. Nomena iraka i Maria virijiny mba hiteraka zazalahy. Ny "antso" dia Andriamanitra no mifidy sy miantso ary maniraka antsika fa ny "asa" dia isika no misafidy izay hatao. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...