Ny Fanjakana dia manana ny zo sy ny adidiny : manery ny olom-pirenena amin'ny fandraisana andraikitra. Ny fanjakana ihany koa dia mandrisika ny olom-pirenena mba hiaro azy fanjakàna tenany. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 26 jona 2022 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Hanazava ny fontsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 51-62
Ny vanim-potoana ririnina dia mangatsiaka, tokony tsy hatao ambanin-javatra anefa ny fahadiovana : tanana, tongotra, vatana ary loha. Ny sokajin'olona rehetra dia tokony hidio daholo, zaza hatramin'ny lehibe ; ka in-droa isanandro raha vita dia ny maraina sy ny hariva. Ny olona tsy mandro dia tsy hahazo hafanana mihitsy satria tsy misokatra araka ny tokony ho izy ny maso-kodiny. Ny fahadiovana no fototry ny fahasalamana isan'izany ny akanjo sy vatana. Ilaina ny manao mafana satria raha magatsiaka loatra dia mandany hery "énergie" betsaka. Miezaha misakafo maro loko, madio sy mafana ary ara-potoana...
♦ Hibahan-toerana amin'izao vaovao antoandro izao ny fanadihadiana sy ny hetsika mifandraika amin'ny Fetim-pirenena... ♦ Mbola vitsy, satria tsy misy afa-tsy arivo ny isan'ny mpisolovava eto Madagasikara, ka ny eninjato amin'ireo dia miasa eto an-drenivohitra avokoa... ♦ Mivoatra ny tontolon'ny dihy eto Madagasikara, araka nambaran'ny Fikambanana Zarasoa, izay mankalaza ny fahafolo taonany...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco