♦ Tsy misy afa-tsy fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon'ny tany, miisa 25 sisa no manan-kery raha ho an'ireo mpitrandraka madinika... ♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka tamin'ny endriny nasiam-panovana ny lalana mifehy ny fananan-tany, omaly teny Tsimbazaza... ♦ Niray feo, naneho ny firaisan-kinany amin'ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny manao fitokonana, ny Ferasiônin'ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana ambony...

Manaiky ny manam-pahefana sy miara-mandray andraikitra ho an'ny soa iombonana ka isan'ireny ny fandoavan-ketra sy ny fiarovana ny tanindrazana. Ho fandraisana andraikitra dia hitompona ny zo handatsa-bato. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 25 jona 2022 — Ny Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51

♦ Nisy nanolo vy milanja 20 kg sy 550 g ireo volamena 36 kg very tao amin'ny Minisiteran'ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Nankatoavin'ny Solombavam-bahoaka androany, ny volavolan-dalana momba ny fifanarahana hindramana vola hanaovana ny tetikasa tetezana mihantonba na ny "Fly over" eny Anosizato... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana faobe nanomboka androany, mandram-pivalin'ny fitakiany, ireo mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...