Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Nanolotra ny votoatin'ny fanitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2022 teny amin'ny antenimieram-pirenena ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbola Rabarinirinason... ♦ Ny fitrandrahana an'i Tsimiroro ihany hoy ny antoko otrik'afo  no vahaolana ahafahana miatrika ny olan'ny angovo ankehitriny... ♦ Mbola maty antoka ny mpitatitra na dia hiakatra 1.000 Ariary aza ny saran-dalana hoy ny filohan'ny koperativa iray ao an-drenivohitra... ♦ Farafahakeliny 1.000 no maty tany atsinanan'i Afganhistan vokatry ny horohoron-tany nitranga omaly alina...

Miainga amin'ny didy fahaefatra "manajà ny ray aman-dreninao" ny maha olom-pirenena vanona. Ny ankohonana maro mitambatra ihany no lasa firenena, takiana ny hanomezana fitiavana sy fanajàna ireo ray aman-dreny sy ireo zoky. Samy manana ny adidiny ny tsirairay mba hisiany fifanajàna satria izay no taratry ny maha olom-pirenena vanona. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...