♦ Vao mainka niakatra ny vidin'ny entana eny amin'ny tsena sasantsasany, taorian'ny nampiharana ilay famerana ny vidin'entana farany ambony, raha ny tatitry ny PMH, fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Mety mbola hiakatra noho izao ny vidim-piainana eto Madagasikara, raha ny fijerin'i Mahery Lanto Manandafy. Nambarany fa mbola hahatonga izay fiakarana izay ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika eto amintsika atsy ho atsy... ♦ Atahorana mafy indray ny fivoahan'ny harem-pirenena mankany ivelany amin'izao ankatoky ny fety izao. Volamena 7 kilao indray no tratra tao Anjajavy, distrika Analalava ny faraparan'ny herinandro teo...

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho". Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay". Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia". Hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo". Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io". Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo". Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo". Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: "Iza moa Ianao?" Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.

Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao". Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy".

Manamarika ny fandroana sy ny faran'ny taona malagasy ary ny taom-baovao ny famonoana omby volavita. Ny atao hoe " omby volavita" dia omby miloko mena ary ahitana loko fotsy boribory mihendrika vola : ny handriny, ny trafony, ny kibony andaniny roa, ny rambony ary ny tongony havia sy havanana. Ny fanasinana ny mpanjaka dia atao amin'ny taom-baovao amin'ny alalan'ny "vola tsy vaky" ka mandritra izany izy no mirary hasina sy soa ny tenany. Amin'ny maha andro lehibe ny fandroana sy ny taom-baovao malagasy dia misy ny fifampizarana sy fifanolorana zavatra maro samihafa toy ny "jaka" fanome ny anabavy, ny anadahy ary ny vehivavy. Manana anjara asa sy toerana lehibe ny vehivavy nandritra ireo fotoana ireo...

♦ Narahina herisetra ny fisamborana natao an-dRamatoa Clémence Raharinirina ny sabotsy teo, raha ny nambarany omaly. Nilaza ny hanohy ny hetsika miaraka amin'ireo mpiara-dia aminy izy, hitakiana ny fialàn'ny ben'ny tanàna Antananarivo... ♦ Mikatona ary tsy nisy fampianarana eny amin'ny oniversiten'Antananarivo, any Toamasina ary Fianarantsoa. Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny HCC momba ny fitakiany ny SECES, ka nampihatra ny hetsika "Oniversite maty"... ♦ Misy indray ny hetsika "paka ieren-doza" iarahan'ny mpitandro ny filaminana manatontosa, ho fisorohana ny loza sy ny tsy fandriam-pahalemana, mandritra ny fety, hatramin'ny alatsinainin'ny paka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...