Alahady 26 jona 2022 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Hanazava ny fontsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 51-62

Ry kristianina ! araka ny nambaran’ny Evanjely nohenointsika teo dia faritany mazava fa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana Azy eto amin’izao tontolo izao ka nanapa-kevitra ho any Jerosalema Izy mba ho tanteraka ny volazan’ny Soratra Masina, fa tsy mety raha vonoina ivelan’i Jerosalema ny mpaminany, sady voalazan’i Elia sy i Moizy niresaka taminy tamin’izy niova tarehy koa fa tsy maintsy ao Jerosalema no ahatanterahan’ny famonjena. Tsy mbola any anefa no tena ifantohan’izao Evanjely izao fa ny zavatra niseho taminy tamin’ny diany teny an-dalana. Ho an’i Matio sy i Marka ary i Lioka manko dia indray mandeha ihany i Jesoa no niakatra tao Jerosalema, fa ho an’i Joany kosa dia intelo. Zavatra roa nefa hiainantsika andavanandro no sintonintsika ao amin’ity Evanjely ity.

Voalohany ny toe-po amam-panahy tokony hananantsika rehetra iraka mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Na dia miseho amin’ny endrika maro samihafa aza moa ny iraka dia isika rehetra vita batemy no tokony manatanteraka izay iraka izay avokoa amin’ny sehatra rehetra misy antsika any amin’ny fiainana any satria izay no manaporofo ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika. Adidintsika ny mitory ny Fanjakan’Andriamanitra izay tsy inona fa Fanjakan’ny fitiavana, fanjakan’ny fiadanana, hafaliana ary fanjakan’ny madinika. Izany no tokony hijoroantsika ho vavolombelona mandrakariva ary ezahantsika harovana sy tandrovana lalandava. Zava-misy eo amin’ny fiainana ny tsy fandraisan’ny olona an’ireo iraka toy ny hita eto amin’ny Evanjely ; ary ny tena mampalahelo aza indraindray dia ireo hita fa toy ny manam-pinoana ety ivelany no tena tsy miraharaha na tsy mandray ireny iraka ireny. Matetika entin’ny fahazarana fotsiny isika eo amin’ny fiainana andavanandro ka izany no manakana ny fahasoavana tokony hiditra ao amintsika. Eo anatrehan’izany anefa ny toe-po amam-panahy tokony hananana dia efa atoron’i Jesoa fa ny fanehoana ny fitiavana sy ny famindram-po mandrakariva na dia mafy aza izany amin’ny maha olona antsika.

Faharoa, matoa mitsy iraka dia misy olona irahina ary misy ny mpaniraka. Miantso antsika isan’andro Andriamanitra ary mila antsika ny tanim-boalobony. Eo amin’izay antso izay dia endrika roa no isehoany eto amin’ity Evanjely ity : ny endrika voalohany dia ilay olona misolo tena antsika mihitsy no manolo-tena hanaraka an’i Jesoa ; ary ny endrika faharoa dia i Jesoa no miantso mivantana hoe manaraha ahy. Isika rehetra manko dia voaantso avokoa ary no mitarika antsika hanaraka an’i Jesoa araka ny foto-kevitra amin’ity Alahady tsotra faha 13, taona D ity. Endrika hisehoan’ny antso avokoa manko ireo miseho amin’ny Evanjely ireo. Na izy miantso mivantana na miantso antsika an-kolaka. Raha tena vonona hanaraka an’i Jesoa isika dia avelao izay rehetra mety manelingelina sy manembatsembana eto amin’izao tontolo izao fa manapaha hevitra avy hatrany hanaraka azy rehefa vonona. Fomba fanehoana hevitra ireo ambaran’ny Evanjely ireo fa ny tian’i Lioka ampitaina amintsika dia tsy hitondra antsika any amin’ny fahasoavana sy ny famonjena tokony ho antsika mihitsy ny fisalasalana sy ny fangatahana andro lava eo fa rehefa eny dia eny ary tozona hatramin’ny farany tsy vorebirebin’izatsy sy zaroa. Fakan-tahaka ho antsika ireo mpianatr’i Jesoa ireo. Tsy nisy nisalasala ireo na iray aza fa vao nantsoin’i Jesoa sy nilazany hoe manaraha ahy dia nandao ny fananany sy ny fianankaviany avy ary izao tontolo izao ka nanaraka azy tsy misy fepetra. Tsy maintsy miaritra ny mafy anefa ary misedra zavatra maro izany manaraka an’i Jesoa izany. Izany no toe-po amam-panahy takiana amintsika iraka hitory, tsy hikatsaka tombon-tsoa fa ny soa ho an’ny olona sy ho an’ny Eglizy izay lazaintsika fa fanjakan’ny madinika.

Jesoa Tompo ! efa napetrakao mialoha ireo rehetra miandry anay amin’ny iraka miantefa aminay noho ny antsonao koa ampio ireo rehetra mikatroka amin’ny sehatry ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly hahay hampiasa ny zava-misy ankehitriny entina manefa izany am-pitiavana ; ary izahay rehetra koa tsy hanjehy ny andro ho lava fa hanapakevitra hanaraka anao marina tokoa. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...