Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny Fanjakana. Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa".
"Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratran’ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamîna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona".
Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizy lahy sy ny ankizy vavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay ta-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny? Fa ny Zanak’Olona dia ho avy amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ny anjeliny, ka amin’izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny sasany eto, dia tsy hanandrana fahafatesana, raha tsy efa mahita ny Zanak’Olona avy amin’ny fanjakany."
♦ Nanova ny fomba fijeriny momba ny asa fitrandrahana fasi-mainty ataon'ny Orinasa Base-Toliara ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny ankamaroan'ireo olona nanohitra ny asa fitrandrahana, roa taona sy tapany taorian'ny fampihatoana ny sehatr'asan'izany orinasa izany tao Toliara... ♦ Nahaliana ireo tantsaha sy izay misehatra manokana amin'ny sehatry ny fiompiana ny andro natokan'ny Malagasy Professionnel d'Elevage na ny MPE nivoizana ny lafiny teknika momba ny fiompiana ny faran'ny herinandro teo... ♦ Fifindramonina anatiny : Tsy nisy afa-tsy ny famahana ny olana eny ifotony amin'ny faritra hisian'ny fifindra-monina ihany no vahaolana, tsy hisian'izany eto amintsika hoy ny antoko Otrikafo...
♦ Mpiadina miisa 192.435 no hiatrika ny fanadinana Bakalôrea manomboka anio 18 jolay hatramin'ny zoma 22 jolay 2022 izao, manerana an'i Madagasikara... ♦ Tsy manaiky ny saran'ny fitanterana "Bus" ho 800 Ariary ao an-drenivohitra ireo Mpiaro ny Zon'ny Mpanjifa, 600 Ariary hoy izy ireo no nifanarahana. Nanentana ny mpanjifa tsy hanaiky ny 800 Ariary izy ireo... ♦ Nankasitraka ny fitondram-panjakana amin'ny ezaka ataony hamahana ny olan'ny vahoaka amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana ny FFKM. Niantso ny rehetra samy handini-tena amin'ny andraikiny ny avy amin'ny FFKM, ka hiala amin'ny fifampihantsiana sy ny fanamarinan-tena...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco