♦ Milaza ny hitady vahaolana tsy hiakaran'ny vidin-tsolika intsony ny filoham-pirenena tamin'ny kabary tany Mandoto omaly. Nambarany fa efa nahita tolotra 89 dôlara isaky ny Baryl any ivelany izy... ♦ Miantso ny FFKM hitarika donakafom-pirenena itadiavam-bahaolana eto amin'ny firenena ny vondrona ALDR sy ny KMSI. Nanano fanambaràna, etsy ankilany, ny VMF, mpiaro ny fitondràna, nampitandrina ireo manao kajikajy politika amin'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena... ♦ Nanolotra famatsiam-bola ho an'ny PAM ho fanampiana ara-tsakafo any atsimon'ny nosy ny Governemanta japoney. Mponina 39 000isa any amin'ny distrika Ambovombe sy Amboasary-Atsimo no hisitraka izany...
16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.
16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.
Ny rariny sy ny fahamarinana dia toy ny tononkalo na poezia. Ny Pape amin'ny mahaolon'ny haisoratra azy dia manana fomba fijery sy fandinika mampiavaka azy, notsiahiviny fa ny mpitsara dia oharina amin'ny poety, ny mpitsara dia manana iraka manokana mba handrafitra poezia hitsaboana ny ratran'ireo mahantra, eo amin'izao tontolo izao. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco