Nofaranana androany 08 septambra 2022 ny tetik'asa fikarohana momba ny voly vary FYVARY. Tetik'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana nanomboka ny taona 2017, izay famatsiam-bolan'ny governemanta malagasy miaraka amin'ny governemanta japoney ny FYVARY...

Maro ny voka-pikarohana nivoaka tao amin'izany tetik'asa izany, isan'izany ohatra ny karazam-bary vaovao FYVARY 85 sy ny FYVARY 32, natao ho an'ny tany manta ary afaka misedra ny fiovaovan'ny toetr'andro. Toa izany koa ny teknika fandomana ny fakam-bary amin'ny ranon-jezika misy Phosphore mialohan'ny hanetsana azy na ny P-Dipping. Voka-pikarohana namaha ny olana amin'ny voly vary an'ivon-tany, azo tamin'ny alalan'ny ezaka nataon'ny malagasy mpikaroka ao amin'ny FOFIFA sy ny japoney teknisiana.

Olana mipetraka amin'ny nofon-tany ety afovoan-tany ny maha asidra be azy sy ny fisian'ny  oksidanà vy sy ny oksidanà aliminiaoma ao aminy izay singa mihazona ny Phosphore tsy ho trohan'ny vary maniry ka tsy ahafahany mahazo ny Phosphore sahaza azy. Ny Phosphore izay isan'ny singa tena ilain'ny vary ahafahany mitombo tsara sy mamokatra ihany koa.

Fomba iray handonahana ny tanimbary ho an'ny ety anivon-tany ny teknika P-Dipping. Mifototra amin'ny fandomana ny fakam-bary amin'ny ranon-jezika misy Phosphore mialohan'ny hanetsna azy na ny P-Dipping. Mampitombo haingana ny vary nambolena ny fampiasana ny teknika. Mampihena atsasany ny zezika ampiasaina sy ny vola lany ihany koa. Mihafohy ny tsingerim-panirin'ny vary ary mahatohitra hain-tany ny voly ampiasàna ny p-Dopping.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...