♦ Ahiana hihena hatrany amin'ny 20% ny famokarana sy famatsiana rano eto amintsika amin'ny fotoanan'ny main-tany ho avy io. Milaza ny efa miomana amin'ny hanalefahana izany ny JIRAMA sy ny Minisiteran'ny Rano... ♦ Misy handoavana hatramin'ny 50.000 Ariay amin'izao ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana. Manavesatra ny vola aloan'ny ray aman-dreny ny fahataran'ny "Caisse école" sy ny  tambin-karaman'ny mpampianatra FRAM, hoy ny Talen'ny sekolim-panjakana iray... ♦ Anio no hiatrika ny lalao voalohany amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany Rugby à 7 i Madagasikara...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...