20 jolay — I Masindahy Apollinaire resahana eto dia ilay avy any Antioche. Mpianatr’i Masindahy Pierre tamin’ny taonjato voalohany. Nohamasinina ho evaka tao Roma izy io dia nalefan’i Masindahy Piera tany Ravenne mba hitory ny finoana kristianina.

Ny rariny dia soatoavina tsy misaraka amin'ny fanatanterahana an'ilay hatsaram-panahy fototra ara-môraly mifanandrify aminy. Araka ny fomba mahazatra indrindra ilazana azy, ny rariny dia tsy inona fa ny finiavana, mitozo ary matotra, an'Andriamanitra sy ny namana ny zavatra tokony homena azy ireo. Raha tombanana avy ao anaty, ny rariny dia taratra amin'ny fihetsika baikon'ny finiavana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 20 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9

♦ Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy androany ny Zaikaben'ny Aumônerie Catholique des Prisons eto Madagasikara... ♦ Fikaonan-doha amin'ireo lokan'ady goavana amin'ny fampandrosoana, anatin'ny fandaharana 2030 ho an'i Afrika sy i Madagasikara. Hifantoka amin'izay indray ny fikaonan-doha iraisam-pirenena ho tanterahan'ny UCM manomboka rahampitso... ♦ Hojeren'ny FMI ny hampihenana ny trosan'ireo firenena afrikanina. Nihena ho 34 miliara dolara ihany koa, ny natokan'ny FMI hanampiana ireo firenena afrikanina amin'izao krizy misy eran-tany izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...