♦ Tsy misitraka ireo tamberim-bidy tokony ho azo amin'ny fitrandrahana Nickel sy Cobalt, ataon'ny orinasa Ambatoby ireo kaominina miisa 17 any amin'ny Distrika Moramanga sy Toamasina, raha ny tatitry ny O.S.C.I.E... ♦ Miombom-po ary manohana foana ny zanak'izy ireo Ramonjavelo Valéry ny fikambanana FIZANTALAOTRA, manoloana ny raharaha mahasaringotra azy tamin'ilay resaka Boeing 777 farany teo, araka ny fanambarana nataon'ny zanaka Antemoro ny faran'ny herinandro teo... ♦ Laharana fahatelo no nisy an'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny tanora Ranomasina Indiana, C.J.S.O.I andiany faha-13 natao tany Seychelles. Mitontaly 49 ny medaly azon'ny Malagasy... 

♦ Tontosa omaly alahady ny Eokaristia Masina nametrahan an'i Mgr Mareck Ochlak teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'i Diôsezin'i Fenoarivo-Atsinanana azy... ♦ Tandindonin-doza ireo olona an'arivony mivelona amin'ny seham-piharina landy any amin'ny kaominina Arivonimamo-II, Faritra Itasy fa mihavitsy ny akora fototra ampiasan'izy ireo... ♦ Resin'i ekipa-pirenen'i Tanzania tamin'ny isa 2 no ho 1 ny Barean'i Madagasikara ny sabotsy alina teo, tamin'ny lalao fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika tsy misy mpilalao avy any ivelany na ny CHAN 2025... ♦ Nanazava ny drafitra entiny handaminana ny any Gaza omaly ny Praiministra Israeliana ; maro ny firenena nitsipaka azy io...

Manana adidy isika kristianina hiady amin'ny fakam-panahy, satria ao am-pontsika ao no sehatra hisehoan'io ady io ; araka ny voalazan'i Masindahy Paoly "fantatro fa tsy mitoetra ao amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko" Ny demony dia fanahy, vahaolana hiadiana aminy ny fialana amin'izay rehetra mety ho fakam-panahy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Fotoana famonosan-drazana ny volana aogositra hatramin'ny septambra. Nanomboka ny vanim-potoana nanenjehana ny kristianina no tena nampiroborobo ny famadihana. Taloha dia isaky ny 15 na 20 taona vao misy ny famadihana, izay entina hifankahafantarana sy hanamafisana ny fihavanana, hanaovana fiaraha-misakafo. Ankehitriny dia simba ireo fomba teo aloha, lasa ny vola no mibaiko fa tsy manao ho zava-dehibe ny fihavanana...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...