♦ Hiakatra fitsaràna anio Andriamatoa Elia Rabevahiny miaraka amina olona 5 hafa, rehefa nosamborina noho ny fanoherana ny Base Toliara. Miantso ny hanafahana azy ireo madiodio ny antoko Otrik'afo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny fandraisana ho mpiasam-panjakàna ireo mpianatra nahavita fiofanana ireo niofana teo anivon'ny ENS. Nanao fanambaràna fanaizana momba izany izy ireo omaly... ♦ Nisokatra ho an'ny besinimaro nanomboka omaly ny lalana vaovao mampitohy an'i Ivato sy Andranotapahana. Heverina hampihena ny fitohanan'ny fiara, indrindra hidirana sy hivoahana ny seranam-piaramanidina Ivato izany...

Masina Maria no lohalaharana amin'ireo madinika sy mahantran'ny Tompo, izay matoky sy manantena famonjena avy aminy ; ary izy ihany koa ilay zanaka vavy an'i Siôna, nahataperan'ny fetr'andro nandrasana ela araka ny fampanantenana sady nahatanterahan'ny fandaharana vaovao, fa avy aminy no nakan'ny zanak'Andriamanitra ny fomba maha olombelona mba hanalany ny olombelona amin'ny fahotana.... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Manamafy ny antso amin'ny hanomezana fahafahana madiodio an'i Elia Rabevahiny, izay hiatrika fitsarana rahampitso, ny antoko Otrikafo... • Mitaky ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpianatra maherin'ny 1700 nahavita fiofanana teo anivon'ny ENS, ireo mpiofana araka ny fanambarany androany... • Efa azo ampiasaina nanomboka androany ny ampahan-dalana amin'ny “voie rapide” manomboka etsy amin'ny “rond point” Don Bosco Ivato, hatrany amin'ny “rond point” Andranotapahana...

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...