♦ Hiakatra fitsaràna anio Andriamatoa Elia Rabevahiny miaraka amina olona 5 hafa, rehefa nosamborina noho ny fanoherana ny Base Toliara. Miantso ny hanafahana azy ireo madiodio ny antoko Otrik'afo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny fandraisana ho mpiasam-panjakàna ireo mpianatra nahavita fiofanana ireo niofana teo anivon'ny ENS. Nanao fanambaràna fanaizana momba izany izy ireo omaly... ♦ Nisokatra ho an'ny besinimaro nanomboka omaly ny lalana vaovao mampitohy an'i Ivato sy Andranotapahana. Heverina hampihena ny fitohanan'ny fiara, indrindra hidirana sy hivoahana ny seranam-piaramanidina Ivato izany...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...