Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...
Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tokony hijeren'ny fitondrana malagasy vahaolana ao anatin'ny fitantanana ny SADC ny sosialim-bahoaka, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Vehivavy MFM... • Hisokatra ho an'ny besonimaro manomboka rahampitso ny toerana irasam-pirenena momba ny asa tanana “ENARA Galeria” etsy amin'ny Lac Iarivo. Nitokana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany... • Hanomboka hitatitra olona ny “téléphérique” ny sabotsy izao. Voafetra ihany anefa ny halaviran-dalana, fa mbola karazana fanazarana ny vahoaka aloha no atao amin'izao, hoy ny fanazavan'ny tompon'andraikitra...
♦ Misokatra azon'ny rehetra tsidihina nanomboka androany ny Sehatra Fampirantiana Iraisam-pirenena ENIRA Lac Iarivo Ivato. Trano heva 300 mahery no mampiranty ny asa tanana sy ny vokatry ny Fambolena Malagasy. Nanokatra izany ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Mahazo vahana amin'ny kaominina miisa roa ao amin'ny Distrika Soavinandriana-Itasy ny ady tany sy ny fandravana trano hoy ny filohan'ny FIVATO Randimbielson William... ♦ Tokony atevenina afaka miatrika ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny tsy fananan'asa ny politika ara-toekarena ankapobeny eto Madagasikara hoy ny Profesora Ralison Roger...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco