Toa an'Andriamanitra Raintsika, naniraka ny Zanany ho Mpiandry ondry dia Ray ny Eveka ; Raiamandreny eo anivon'ny Eglizy ary Raim-pianakaviana mitondra ny mpianakavy. Ny Mpiandry ondry tsara araka ny hamaritan'ny Tenin'Andriamanitra azy dia tonga hanompo fa tsy tompoina. Ny Kristianina dia manana adidy hiaino ny Eveka, ary tokony hanatanteraka izay ampianariny... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Nihaona voalohany tamin'ny Papa Léon XIV androany ny Evekan'i Madagasikara... • Olona 9 tamin'ireo 39 notsaboina noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ny trano fandraisam-bahiny iray, no maty teny amin'ny HJRA... • Naneho hevitra ho an'ireo mikasa ny hanakantsakana ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonan'ny SADC, ny Praiminisitra Ntsay Christian androany...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
♦ Natao hanampy ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny asany ny fihaonana eo amin'ny loholona sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana... ♦ Mbola azo atao tsara ny manarina ny orinasa JIRAMA raha tena atao laharam-pahamehana hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray nitranga teny Ambohimangakely omaly alahady, anatin'ny fanadihadiana hamaritana ny zava-nitranga nahatonga izany ny tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco