♦ Tsy misitraka ireo tamberim-bidy tokony ho azo amin'ny fitrandrahana Nickel sy Cobalt, ataon'ny orinasa Ambatoby ireo kaominina miisa 17 any amin'ny Distrika Moramanga sy Toamasina, raha ny tatitry ny O.S.C.I.E... ♦ Miombom-po ary manohana foana ny zanak'izy ireo Ramonjavelo Valéry ny fikambanana FIZANTALAOTRA, manoloana ny raharaha mahasaringotra azy tamin'ilay resaka Boeing 777 farany teo, araka ny fanambarana nataon'ny zanaka Antemoro ny faran'ny herinandro teo... ♦ Laharana fahatelo no nisy an'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny tanora Ranomasina Indiana, C.J.S.O.I andiany faha-13 natao tany Seychelles. Mitontaly 49 ny medaly azon'ny Malagasy... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...