Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)
Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:
“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!
Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.
Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:
“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20)
Tamin’izany andro izany,
nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano
i Dariosa mpanjaka nanao hoe:
“Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra;
aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody
hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody,
hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io:
ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony,
no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Didy nomeko izaho Dariosa itý;
ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”
Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely,
ka nandroso tsara ny asa,
noho ny faminanian’i Akjea mpaminany,
sy i Zakaria zanak’i Adao.
Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa,
i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa.
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,
taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita,
ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana,
dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io:
ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato
ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely,
ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy,
sy ny Levita araka ny fizarany avy,
hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema,
araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy.
Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,
dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka,
ka samy efa madio avokoa.
Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra,
sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5
Faly aho nilazana hoe:
andao ho any an-tranon’ny Tompo;
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
Ry jerosalema ilay voaorina
ho tanàna tsara rafitra,
hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’ny Tompo.
Fa didy, ry Israely,
ny midera ny Anaran’ny Tompo;
ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)
Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:
“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”
Dia novaliany hoe:
“Ny reniko sy ny rahalahiko,
dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mbola hanohy ny fihaonana samihafa efa nantombony ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena amin'ity herinandro ity. Andrasana aorian'izay ny fanambaràna mety ho ataon'izy ireo... ♦ Fotoana efa tokony imasoan'ny rehetra amin'ny fifidianana izao hoy ny mpanao pôlitika Andry Vorisoa. Izy izay mivondrona ao amin'ny vovonana manohana ny kandidà laharana fahatelo... ♦ Tratehaka ary miandry ny fotoam-pitsarana azy eny Tsiafahy ny rain-dahiny amin'ny fanaovana hosoka eny amin'ny Fitsaràna. Mampitandrin hatrany ireo manan-draharaha ny lehiben'ny firaiketan-draharaham-pitsaràna eo anivon'ny Fitsaràna ambaratonga voalohany eny amin'ny Fitsaràna Anosy Herinatrehana Iham Ellah...
Eken'ny fampianaran'ny Eglizy ny maha-ara-drariny ny fitokonana. "raha toa ka fara lalana tsy azo nidifiana mba hahazoana tombontsoa mifanahantsahana aminy", rehefa tsy nisy nahitam-bokatra ny ezaka hafa rehetra ntao handravonana ny fifanolanana. Ny fitokonana dia fandresena isan'izay nanahirana indrindra vao azon'ireo fikambanana sendikaly... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco