28 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

♦ Tsy miady amin'ny kandidà Andry Rajoelina ny vondron'ireo kandidà, fa mitaraina amin'ny fitanilana amin'ny fanehoan-kevitra. Nambaran'izy ireo izany, tao aorian'ny fihaonana tamin'ny iraky ny Firenena Mikambana teny Andraharo... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny firenana, hoy ny FFKM raha namoaka fanambarana. Efa miaina ny firosoana amin'ny fifidianana amin'izao, hoy ny Filohany, raha namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Manjavozavo tanteraka ny rafi-pampianarana misy eto Madagasikara, hoy Kônferderasiôna sendikalin'ny Sempama. Nahitsy izy ireo nilaza fa tsy fantatra instony izay fandaharam-pianarana ampiharina ankehitriny...

♦ Liana ary vonona hiroso amin'ny fifidianana ny vahoaka Malagasy, araka ny hita any amin'ireo faritra lalovana hoy ny filohan'ny CENI. Hatrany amin'ny 80% amin'ny olona efa naka ny karatry ny mpifidy tany Farafangana sy Vangaindrano... ♦ Hanomboka anio ny fihaonana tanterahin'ny iraky ny ONU amin'ireo ankolafin-kery samihafa eto amin'ny firenena... ♦ Mandeha ny asa fanamboarana ny Pipeline sy ny RN13, fa tsy tokony hamafy lainga sy manao fijery mtongilana ny mpanao pôlitika mpanohitra hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ambovombe-Androy...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 1-8)

Indro Aho hanafaka ny vahoaka avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Tonga ny tenin’ny Tompon’ny tafika nanao hoe:

“Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho,
sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy.
Tafaverina eto Siôna Aho,
ka te-honina eo afovoan’i Jerosalema;
i Jerosalema hantsoina hoe:

‘Ny tanànan’ny fahamarinana’;

ary ny tendrombohitry ny Tompon’ny tafika, hatao hoe:

‘Ny tendrombohitry ny fahamasinana.’

Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray,
hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema,
samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.
Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy
milalao eny amin’ny kianjany.
Amin’izany andro izany,
na hiseho ho zava-mahagaga aza izany
eo imason’izay sisa amin’itý firenena itý;
moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany?
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema,
ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo
amin’ny rariny sy ny hitsiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23

Hanorina an’i Siôna ny Tompo, ka hiseho anatin’ny Voninahiny.

Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!

Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry!
Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo,
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.

Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay,
ary ny taranany hijoro eo anoloanao!
Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Izay kely indrindra eo aminareo no ho lehibe indrindra.

Tamin’izany andro izany,
nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra,
dia ny amin’izay lehibe aminy.
Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony,
ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako
dia mandray Ahy,
ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy;
fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra
dia izy no lehibe.”

Dia niteny i Joany nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay,
ka noraranay,
satria tsy namantsika izy.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Aza raràna,
fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...