Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Daniely 7, 9-10. 13-14)

Arivoarivo no nanompo Azy.

Nijery aho, ka nahita seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray,
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy,
ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra
nandroso izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany,
dia nomena ny fahefana, sy ny voninahitra, amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena
sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 12, 7-12a)

Niady tamin’ny Dragona i Misely sy ny Anjeliny.

Ary nisy ady tany an-danitra:
I Misely sy ny anjeliny moa niady tamin’ny Dragona;
ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, fa tsy nahomby,
sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;
ka nazera itý Dragona lehibe,
dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana,
izay mamitaka an’izao tontolo izao;
ny tenany moa nazera tamin’ny tany,
ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:
Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana;
fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika,
dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitra.
Nandresy azy ireo koa ny rahalahintsika
noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany
ary ny tsy fitandroany ny ainy na dia ho faty aza Izy.
Koa mifalia, ry lanitra mbaminareo monina ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5

Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho, ry Tompo.

Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho,
miankohoka mitodika ny tempolinao masina.

Misaotra ny Anaranao aho:
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao!
Fa nataonao lehibe ny Anaranao,
sy ambonin’ny zava-drehetra ny Teninao.
Ny andro iantsoako mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!

Ny Mpanjakan’ny tany misaotra Anao avokoa;
fa nahahaino ny tenin’ny vavanao!
Mihira ny lalan’ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 47-51)

Hahita ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:

“Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.”

Ka hoy i Natanaely taminy:

“Ahoana no nahalalanao ahy?”

Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.”

Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe:

“Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mino ianao,
satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”

Dia hoy koa Izy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Fiantombohan’ny Bokin’i Akjea Mpaminany (Akj. 1, 1-8)

Ataovy ny tranon’ny Tompo, fa ankasitrahako izany.

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka,
tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana
no nahatongavan’ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany,
tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, governora tany Jodà
sy tamin’i Jôsoe zanak’i Jôsedeka mpisorona lehibe, nanao hoe:

“Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:

‘Itý firenena itý manao hoe:
Tsy mbola tonga ny fotoana,
ny fotoana hanaovana ny tranon’ny Tompo indray.’

Ary tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany nanao hoe:

‘Ary ho anareo kosa moa
dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,
amin’izao aharavan’ny trano izao?
Koa ankehitriny, izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Namafy be ianareo fa mijinja kely;
mihinana fa tsy ampy hahavoky;
misotro, fa tsy ampy hahafa-po;
mitafy, fa tsy ampy hanafana;
ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
Izao no lazain’ny Tompo ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Mandehana eny an-tendrombohitra ka mitondrà hazo;
ary ataovy ny trano;
hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

Sitraky ny Tompo ny vahoakany!

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy.
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
ka ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)

Nasaiko notapahin-doha i Joany, ka iza indray àry izao olona reko manao zava-dehibe izao?

Tamin’izany andro izany,
i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa
ka tsy hitany be ihany izay hevitra,
fa ny sasany nanao hoe:

“I Joany no nitsangan-ko velona”;

ny sasany nilaza hoe:

“I Elia no niseho”;

ary ny sasany nanao hoe:

“Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha
no efa nitsangan-ko velona.”

Dia hoy kosa i Herôda:

“Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy,
ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?”

Dia naniry hahita Azy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Dingam-piainana lalovan'ireo mpanao ny fomba malagasy ny "ala volon-jaza". Hatramin'ny taloha dia eo amin'ny fotoana handraisan'ny zaza ny fahatelon'ny volana nahaterahany no hanaovana io fomba io. Ara-pomba malagasy dia ny amin'ny vanim-potoanan'ny lohataona misandratr'andro fanatontosana azy, ny ankohatra izay dia izay andro hambaran'ny mpanandro. Ny ala volon-jaza dia azo atao ihany koa hoe ala sonia. Ny sonia dia ilay volo eo ambonin'ny sofina ka ny eo amin'ny havia no atao hoe sonia ratsy ary ny eo amin'ny havanana no sonia tsara...

♦ Hamory vahoaka eny Mahamasina amin'ny zoma izao iero vondron'ny kandikà 11. Hanatsahatra ny fitetezam-paritra ataony avy aloha izy ireo hoy ireo solon-tena nanatitra taratasy fangatahana fahazoan-dalana teny Tsimbazaza omaly... ♦ Nandiso ny filazàna ny Ministry ny Rano fa nijanona ny tetik'asa "Pipeline Efaho" ilay fitarihan-drano any amin'ny faritra atsimon'ny nosy. Tonga omaly any Taolagnaro ny ampahany amin'ireo fantsona ampiasaina amin'izany... ♦ Mponina an-jatony, mipetraka amin'ny trano 100 tafo eny amin'ny fokontany Morondava, ao Antehiroka no kasain'olom-bitsy esorina amin'ny tany nonenany sy noajarina tanatin'ny 30 taona. Nitaraina tamin'ny haino aman-jery izy ireo, miantso vonjy amin'ny tompon'andraikitra mahefa...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...