Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (13, 2-7. 24-25a)

Nambaran’ny Anjely ny hahaterahan’i Samsôna.

Tamin’izany andro izany,
nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe,
fianakavian’i Danita, avy amin’i Saraà;
momba ny vadiny, ka tsy niteraka.
Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin’ny Tompo
ka nanao taminy hoe:

“Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka,
nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy.
Ary ankehitriny mitandrema tsara,
fa aza misotro divay na lalikera mahery,
na mihinan-java-maloto,
fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy.
Tsy hokasihin-kareza ny lohany,
fa io zaza io no nazareanin’Andriamanitra hatrany am-bohoka;
ary izy no hanomboka hanafaka an’i Israely
amin’ny tanan’ny Filistinina.”

Dia nandeha nilaza tamin’ny lahy ravehivavy nanao hoe:

“Nisy olon’Andriamanitra tonga taty amiko;
tahaka ny Anjelin’Andriamanitra no fijery ny endriny,
endrika mahatahotra.
Tsy nanontany izay niaviany aho
ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany;
fa izao no nolazainy tamiko:
Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy,
koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery
na mihinan-java-maloto
fa ho nazareanin’Andriamanitra io zaza io
hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny.”

Ary tera-dahy ravehivavy,
ka nataony hoe Samsôna no anarany.
Dia nitombo ny zaza, sady notahìn’ny Tompo.
Dia nanomboka nitaona azy ny fanahin’ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 70, 3-4a. 5-6ab. 16-17

Ny vavako feno fiderana Anao tontolo andro.

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato
sy toera-mafy ho ahy, ry Andriamanitra ô!

Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatry ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’i neny, Ianao no mpiaro ahy.

Ny vavako mitanisa tontolo andro
ny fahamarinanao sy ny vonjinao.
Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)

Ambaran’ny Anjely Gabriely ny hahaterahan’i Joany Batista.

Tamin’ny andron’i Herôda, mpanjakan’i Jodea,
nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria,
isan’ny fianakavian’i Abià,
ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta.
Samy marina teo imason’Andriamanitra izy mivady,
sady nitondra tena tsy nanan-tsiny
tamin’ny didy sy ny tenin’ny Tompo rehetra.
Tsy nanan-janaka izy, fa momba i Elizabeta,
ary efa samy zokiolona ihany izy mivady.

Indray andro,
nony nanao ny raharahan’ny mpisorona teo anatrehan’Andriamanitra i Zakaria
araka ny anjaran’ny antokony,
dia voatendrin’ny loka araka ny fanaon’ny mpisorona
hiditra ao amin’ny tempolin’ny Tompo,
hanolotra ny emboka,
ary ny vahoaka rehetra dia tao alatrano no nivavaka,
tamin’ny ora fanolorana ny emboka.
Fa nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy,
nitsangana teo ankavanan’ny ôtely fanolorana ny emboka.
Taitra i Zakaria nony nahita azy ka raiki-tahotra.
Fa hoy ny Anjely taminy :

“Aza matahotra, ry Zakaria
fa efa nohenoina ny fangatahanao,
ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao,
ary i Joany no hataonao anarany,
dia ho faly sy ho ravo ianao,
ary maro koa no ho faly amin’ny fahaterahany.
Fa ho lehibe eo imason’ny Tompo izy;
tsy hisotro divay na zava-mahamamo izy,
sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny,
maro amin’ny zanak’i Israely no hampodìny amin’ny Tompo Andriamanitra,
dia hialoha azy amin’ny fanahy,
sy ny herin’i Elia izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka
ary ny tsy manoa ho amin’ny fahendren’ny olo-marina,
hamboatra firenena voavonona ho an’ny Tompo.”

Dia hoy i Zakaria tamin’ny Anjely:

“Inona no hahafantarako izany?
fa izaho efa antitra, ary koa efa zokiolona ny vadiko.”

Namaly ny Anjely nanao taminy hoe:

“Izaho no Gabriely,
ilay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra,
ary nirahina aho hiteny aminao hampandre anao
izany teny mahafaly izany,
fa indro ho moana ianao,
ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’izany,
noho ianao tsy nino ny teniko,
izay ho tanteraka amin’ny fotoan’androny.”

Niandry an’i Zakaria anefa ny olona
ka gaga noho izy naharitra ela tao anatin’ny tempoly;
kanjo nony nivoaka izy,
dia tsy nahay niteny taminy,
ka fantatry ny olona fa nahita fahitana tao anatin’ny tempoly izy,
dia baikon’ny moana no nitenenany taminy,
fa moana tokoa izy.
Ary nony tapitra ny androny amin’ny raharahany,
dia nody tany an-tranony izy.
Ary taorian’izany andro izany
dia nitoe-jaza i Elizabeta vadiny
ary niery dimy volana ka nanao hoe:

“Izao no nataon’ny Tompo tamiko,
tamin’ny andro nitsinjovany ahy
hahafa-tondromaso ahy amin’ny olona.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...