19 desambra 2023 — Talata, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)
Ry kristianina havana! Mbola fitantarana fahazazana ihany koa ity Evanjely norenesintsika teo ity. Filazana momba ny fahazazan’i Joany Batista, ny anjara toerany eo anivon’ny fianakaviana ary ny antso miandry azy na ny zava-dehibe miandry azy ao aoriana izay efa voafaritra sahady. Efa voalazantsika tany aloha fa mitana anjara toerana lehibe i Joany Batista sy i Maria amin’izao Fiaviana izao. I Lioka indray no mitantara eto. Asongadiny fa niaina tao anatin’ny fahamarinana sy fahitsiana teo imason’Andriamanitra i Zakaria sy I Elizabeta, izany hoe natahotra an’Andriamanitra izy ireo ary niaina izany: nivavaka, nanankina ny fiainany tamin’Andriamanitra ary nandala fatratra ny rariny sy ny hitsiny. Ireo no ray aman-drenin’i Joany Batista, araka ny fanambaran’ny Anjely tamin’i Zakaria izay mitovy amin’ny an’i Maria. Mampiseho amintsika izany, indrindra ireo ray aman-dreny mitaiza sy manolokolo ny zanany, ny andraikitra lehibe miandry azy ireo haha olom-banona ny zanany, indrindra isika kristianina. Jereo fa tsy olonolom-poana ireny olona manana ny maha izy azy ireny fa nanana ny ray aman-dreniny mari-pototra ary ara-dalàna. Firifiry moa ireo zaza tsy manan-tsiny fa miaina ao anaty fianakaviana tsy feno na mandringa na malok’ila noho ny fitiavan-tenan’ireo lehilahy na vehivavy ankehitriny. Mivavaka manokana ho azy ireny isika.
Toy ireo olo-malaza sasany voalaza any amin’ny Testamenta Taloha dia asongadin’i Lioka koa ny fahaterahan’i Joany Batista, izay tena miavaka satria efa tsy nanana fanantenana ny hanana azy intsony ireto ray aman-dreniny, sady momba akory aza i Elizabeta, nefa teo ny vokatry ny ezaka niainany ny fahamarinany sy ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia novalian’Andriamanitra soa izy. Mitovy “cas” amin’i fahateraha’i Isaaka, i Samoela, izay fanomezan’Andriamanitra, i Samsona, ity an’i Joany Baptista ity. Midika izany fa tsy misy tsy ho hain’Andriamanitra atao rehefa mino isika ary miaina izany finoantsika izany am-pitiavana sy amim-pahatahorana Azy.
Antomotra tokoa ny Noely sy ny taona vaovao, ary tsarovy fa ny fahaterahana dia fahasoavana mandrakariva, ka na ny fahaterahan’i Joany Batista na ny an’i Jesoa dia entin’ny Evanjely mampita amintsika ilay hafaliana entin’izao vanim-potoana lehibe tsarovantsika sy ankalazaintsika izao. Nizotra teo imason’Andriamanitra ny ray aman-drenin’i Joany Batista, dia nizotra teo imasony koa izy toa ireo mpaminany teo aloha (i Elia ohatra). Tsy ho afaka manatanteraka ny iraka miandry azy i Joany Batista, dia ny fanomanana ny olona handray ny Mesia, raha tsy mizotra araka an’Andriamanitra. Izany lalana nizoran’ny ray aman-drenin’i Joany Batista sy izy, izany no irina koa mba hizorantsika. Aoka isika hiaina hatrany io fahatahorana an’Andriamanitra io fa fanomezan’ny Fanahy Masina lehibe ho antsika koa io.
Jesoa Tompo ô! Tsy tongatonga ho azy Ianao fa nanam-pototra ary nanana fianakaviana namolavola sy nanolokolo. Mangataka aminao izahay mba tsinjovy ny zaza rehetra mba hahita fitiavan-dray aman-dreny ary hahazo fanabeazana mendrika azy. Amen.