2 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Ny Mpiaro voalohany ny nosy Madagasikara dia Maria Immaculée izay, ankalazaina isaky ny 8 desambra. Ny andron'ny 27 septambra dia fety Olomasina Vincent de Paul, Mpiaro faharoa ny nosy, izay mpiaro sy fankatahaka tamin'ny asa fiantrana, vao 19 taona izy dia efa pretra. Toetr'Andriamanitra ny toetra tia manome, izay niainan'ny Olomasina Vincent de Paul. Ny Papa François dia isan'ny miaina io fitiavana ny mahantra io, nisy tahirin-kevitra nosoratany mihitsy niresahany ny Eglizy sy ny fahantrana, mitondra ny loha-teny hoe "Evangelii gaudium" .

Raha tiana hiamafy ny fifandraisana dia atomboka eo amin'ny ankohonana ny fanajana an'Andriamanitra fitiavana ; raha tianao hivoatra ny fiaraha-monina dia andeha ampiana ny ankohonana hikatsaka ny fivoarana ara-pivelomana ; raha tiana hiorina ny fahafahana, fandriam-pahalemana ary ny fihavanana dia andeha hamafisina ny fifandraisan'ny ankohonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

1 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 28-32)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...