Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 24, 3-21)

Noho izy voahosotr’Andriamanitra dia tsy hamely azy amin’ny tanako aho.

Tamin’izany andro izany,
naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola
ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony,
hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.
Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy
ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela;
nefa i Davida sy ny olony izany,
nipetraka tao amin’ny faravodi-zohy.
Ary hoy ny olon’i Davida taminy:

“Itý no andro holazain’ny Tompo aminao hoe:
Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao,
ka ataovy izay sitrakao.”

Dia nitsangana i Davida
ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola.
Nitepotepo mafy ny fon’i Davida taorian’izany,
noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola.
Ka hoy izy tamin’ny olony:

“Hampanalavirin’ny Tompo ahy anie,
ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko,
izay voahosotry ny Tompo,
ka hamely azy amin’ny tanako,
satria izy no ilay voahosotry ny Tompo.”

Izany no nisakanan’i Davida ny olony
sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola.
Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany.
Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy
ary rafitra niantsoantso an’i Saola nanao hoe:

“Ry mpanjaka tompoko ô!”

Niherika nijery i Saola,
dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka.
Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe:

“Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe:
Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?
Kanefa indro nahita maso ianao androany
izay nanoloran’ny Tompo anao teo an-tanako androany tao an-johy,
ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao.
Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho:
tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho,
fa voahosotry ny Tompo izy.
Jereo kely ange, ry ikaky,
jereo itý sisin-kapaotinao eto an-tanako!
Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako,
nefa ny tenanao tsy novonoiko,
dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy
na fikomiana ary tsy nanota taminao aho.
Ianao kosa, manenjika ny aiko hanala azy amiko!
Ka aoka ny Tompo no hitsara ahy sy ianao
ary aoka ny Tompo no hamaly anao noho ny amiko,
fa ny tanako tsy hamely anao.
Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy,
hoy ny ohabolana fahagola,
koa tsy hamely anao ny tanako.
Hanenjika an’iza moa no dia niaingàn’ny mpanjakan’i Israely?
Iza no enjehinao?
Amboa maty ve? parasy ve?
Aoka ny Tompo hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika.
Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy Izy,
ka hanafaka ahy amin’ny tananao ny didim-pitsarany.

Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola,
dia hoy i Saola:

“Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!”

Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.
Hoy izy tamin’i Davida:

“Marina noho izaho ianao,
fa soa no nataonao tamiko,
nefa ratsy kosa no navaliko anao.
Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany
fa nanolotra ahy eo an-tananao ny Tompo,
nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy.
Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony,
moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara va izy?
Hovalian’ny Tompo soa anie ianao,
noho izay nataonao tamiko androany izay.
Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka ianao,
ary ho tafatoetra eo an-tananao ny fanjakan’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 56, 2. 3-4. 6 sy 11

Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao!
Ianao no ifefen’ny fanahiko;
ny aloky ny Elatrao
no ifefeko mandra-pidifin’ny loza!

Izaho miantso an’Andriamanitra Avo indrindra,
Ilay Mpamaly ny ratsy atao ahy.
Izy maniraka avy any an-danitra,
ka mamonjy ahy amin’ny tanan’ny mpanosy!

Misandràta, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!
Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao:
mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 13-19)

Niantso izay tiany hankeo aminy Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede
sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...