15 desambra 2023 — Zoma, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)

Hoy ny Bokin’ny Mpitory teny hoe: “Misy fotoanany avy ny zavatra rehetra. Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana ary fotoana handihizana” (Koh 3, 4). Ka eto amin’ity Evanjely ity dia ambaran’i Jesoa fa tsy mahay mipetraka amin’ny fotoana tokony hisy azy ireto vahoaka Jody ireto. Izay no atao hoe avonavona ka ilàna fibebahana. Ireo ankizy mantsy dia sarin’i Joany sy i Jesoa izay samy niantso ny Jody hibebaka; ary ny Jody naditra no lazaina amin’ireny ankizy hafa tsy nety nanaraka ny namany ireny. Homena azy avokoa izay rehetra tokony hahasoa azy fa tsy raisiny. Izany no avonavon’ny olombelona indraindray. Mikely aina Andriamanitra manao izay hahasoa antsika fa isika no manao be marenina tsy mety mandray Azy sy tsy mety manatona Azy. Eto dia lanonam-panambadiana sy fisaonam-pandevenana no hanoharan’i Jesoa ny asa nataon’Izy sy i Joany. “Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo”, izany dia endriky ny fifaliana, lanonana, haravoana; ary izay no hilazana azy hoe lanonam-panambadiana. Io dia sarin’ny “Zanak’Olona mihinana sy misotro” dia ny fietren’i Jesoa hiray petsapetsa amin’ny olona. “Nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandon-tratra ianareo”, izany indray dia endriky ny fisaonana, halahelo, fibebahana ary fanenenana; ary izay no hilazana azy hoe fisaonam-pandevenana. Io dia sarin’i “Joany tsy nihinana sy tsy nisotro” dia tsy inona fa ny fivalozana hanaingan’i Joany ny olona hibebaka izany. Nomanin’i Joany ny fahatongavan’ny Mesia tamin’ny alalan’ny fibebahana. Hoy izy: “Amboary ny làlan’ny Tompo ary ahitsio ny alehany” (Lk 3, 4). Izany hoe efa niantso fibebahana Izy Andriamanitra, fa inona ny ezaka efa mba nataontsika tamin’izany? Nitory hafaliana indray i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanasitranana sy ny fahagagana maro nataony. “Ato amiko ny fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo” (Lk 4, 8). Izany hoe efa nomen’Andriamanitra antsika ny fahasoavana rehetra ilaintsika, fa nanahoana ny fomba nandraisantsika azy sy ny fomba nampiasantsika azy?

Koa mba tsy hitsaran’i Jesoa antsika ho taranaka mpiavonavona dia aoka isika hanome lanja mandrakariva ny asan’Andriamanitra. Fa miasa eo amin’ny fiainantsika mandrakariva Andriamanitra. Saingy isika no tsy mahalala satria tsy mandray; ary isika no tsy mahafantatra satria manao be marenina tsy te handre. Araka izany, ny fanomezana lanja ny asan’Andriamanitra dia ny fialana amin’ny fimonomononana, ny fanomezan-tsiny, ny fanamelohana, ny fanaratsiana, ny fizahozahoana, ny fialonana ary ny fanambaniana. Raha mahatanteraka izany isika dia hahatsapa ny asan’Andriamanitra eo amintsika (ilay asan’ny Fahendrena); ka tsy hiteny tahaka ireto Jody ireto intsony hoe “azon’ny demony izy, lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny mpamory hetra mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra”. Koa aoka hahatsapa ny asan’Andriamanitra eo amintsika isika ka hibebaka marina tokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...