Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 48, 17-19)

Enga anie ka hihaino ny teniko ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Mpanavotra anao,
Ilay Masin’i Israely:
Izaho Tompo, Andriamanitrao,
mampianatra anao, mba hahitanao soa;
mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao Aho.
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,
dia ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao:
ho tahaka ny fasika ny taranakao;
ho tahaka ny vovo-pasika ny haloaky ny kibonao;
tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Izay manaraka Ahy, hanana ny fiainana.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota, na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony,
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy;
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)

Tsy nohenoin’izy ireo na i Joany na ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý?
Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja
izay miantso ny namany, ka manao hoe:
Nitsoka sodina taminareo izahay,
nefa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay,
nefa tsy nandòn-tratra ianareo.
Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro,
nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy.
Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro,
lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io,
sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina
mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra.
Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...