• Vinavinaina hitombo hery ka ho lasa rivodoza ao anatin'ny roa andro ireo faritra andro ratsy manodidina ny morotsirak'i Madagasikara. Tomombana amin'ny ankapobeny ny tontolo ivoaran'izy ireo... • Namory ireo mpiara-miombona antoka aminy amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny famoronana asa mendrika ho an'ny tanora, ny Don Bosco Madagascar. Tanjona ny hitadiavana ny fomba hanampiana ny tanora hananany asa mahavelona azy sy ho avy mamiratra... • Nosoniavina androany teny amin'ny Episcopat Antanimena ny fifanarahana eo amin'ny Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fahamarinana sy ny Fiadanana sy ny Orinasa Base Toliara. Miompana amin'ny fananan-tany ny fiaraha-miasa...

• Hosokafana ny 14, 15 ary 16 marsa 2025, any amin'ny Diosezin'i Morondava ny faha-800 taonan'ny Antsan'ny zavaboahary, ao amin'ny Fianakaviambe Fransiskana... • Nanatanteraka ny anjara fankalazana ny Jobily 2025 ny Tafika tao amin'ny Distrikan'i Betafo, Diosezin'Antsirabe, ny alahady 23 febroary 2025... • Fototry ny asa fanompoana maha Diakra ny asa tsy ilana tambiny, hoy Papa François, tao anatin'ny fampianarana nomaniny ho fankalazana ny Jobilin'ny Diakra...

  • Milaza ho manana vahaolana hanarenana ny orinasa, ny "Corps Social" eo anivon'ny JIRAMA. Tafatsangana ary nampahafantarina teny Mahamasina ny "Corps social" nampivondronana ny mpiasa io...
  • Fanadihadiana momba ny fihetsika mila arahina ho fiarovana ny niharam-boina mba tsy hampihitatra ny fahavoazana...
  • Miisa telo ireo olona efa voasambotra tamin'ny raharaha fitifirana an'ny Rasazy Narindra. Iray amin'ireo voasaringotra ireo ny tompon'andraikitra teo aloha tao amin'ny kaominina Mangataboahangy...
  • Afaka nanatrika ny Eokaristia Masina tao amin'ny Hôpitaly Gemelli hitsaboana azy i Papa François omaly...

Mandia herinandro vaovao indray isika, herinandro farany amin'ity volana febroary ity. Izany hoe eto ilay fiandrasana ny faran'ny volana izay mampiasa saina ny ankamaroan'ny mpiasa. Toa efa lasa fahazarana mantsy ilay fomba fanaon'ny karama izay manao fandalovana fotsiny ao an-tokantrano ao. Raha atao kisarisary an-tsaina dia indreo efa miatrana miandry haka ny anjarany avy ireo filana fototra tsy azo ialana: ry rahofantrano, rasakafo, rasaran-dalana, rasaram-pianarana, rajirama sy ny sisa tsy ho votatanisa e! Toa tsy manan-jo na iniana omena lamosina aza mazàna ny fil na fototra hafa, satria hodian-tsy hita sy tsy eritreretina, ny tsy ampoizina hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny aretina mety handalo tampoka amin'ny maha nofo sy ra ny olombelona.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...