Hanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana isika amin'ity herinandro ity. Ny 5 jiona izao ny marimarina kokoa, ary fanamarihana faha – 52, araka ny nametrahan'ny Firenena Mikambana azy ny taona 1973. 52 taona ‘zany izay no nivoizana foana fa tokony arovana ny tontolo iainana. Fotoana iray ny isaky ny 5 jiona, ahafahana manentana ny rehetra hiaro ny tontolo misy antsika. Anisan’ny loza mitatao ankehitriny ny fako plastika. Miompana amin'izany rahateo ny fanentanana ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Mamotika ny rohy Voahary an-tanety sy an-dranomasina izy ireny. Mihena ny vokatra ara-pambolena, noho ny fiparitahany.
Miharingana tsikelikely koa ny harena velona an-dranomasina, noho ny fako plastika. Toa tsy azo ialana anefa izy ireny, satria ny 10%-n’ny fako ampiasaintsika dia avy amin’ny plastika avokoa.
Fa endrika maro hafa koa no hisehoan’ny fahapotehan’ny tontolo iainana ankehitriny, toy ny fihenan’ny ala, ny faharitan’ny rano, fihafanàn’ny tany, fahataràn’ny rotsak’orana. Efa an-taonany maro izao no mirona amin’ny fifanentanana foana ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Tafita ve ny hafatra ? Inona no tsy ampy ? Atao foana ny fambolen-kazo isan-taona, entanina ny rehetra tsy handoroana tanety, fa arakaraky ny hanentanana aza no vao mainka mampirehitra ny ala sy ny tanety. Indraindray toa lasa fisehosehoana fotsiny ireny fanentanana mipoapoaka ireny. Tsy misy paikady matotra sy mandaitra. Ny hany azo ambara aloha dia hoe : hita mitombo ireo tonga saina eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Efa mihatra amin’ny fiainana andavanandro ny fiantraikan’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Io zao ny olan’ny rano vavolombelona: mijaly rano dieny izao sahady Antananarivo, mbola aiza anefa ity main-tany ? Torak’izany ny rotsak’orana tamin'ny fahavaratra teo, tara vao tonga. Tahaka ny tora-baton’ilay jamba anefa, ka voa vao mihilana. Assa… sanatria ve mbola misy tsy tonga saina ihany fa mikorontana ny rindra voajanahary ankehitriny.
Tsaroana etoana ny ansiklika « Laudato si » nosoratan’ny Papa François, nanentana antsika hiaro ny Tranobe iombonana. Folo taona ny 24 mey teo ny Papa François no nanaitra ny rehetra fa maika ny fanovana ny fihetsika, manoloana ireo ambana amin'ny tontolo manodidina antsika. Tena maika tokoa, nefa toa mifanipa-kevitra ireo mpitondra mpanapa-kevitra maneran-tany amin’ny fihaonana an-tampony ho an’ny fiarovana miaraka ny tontolo iainana. Efa ela no nahenointsika izany COP izany : COP21 e ! COP22 e ! sns… Notapahana tamin’izany fa hahazo famatsiam-bola fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr'andro ireo firenena madinika, izay tena mizaka ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, ka anisan’izany i Madagasikara. Tsy hita izany hatramin’izao, ireo tany madinika koa moa tahaka ny miandry mahazo vao tena handray andraikitra. Tsy misy koa ny enti-manana e ! Lokan’ady lehibe ity resaka fiarovana ny tontolo iainana ity. Tsy misalasala ny Arofanina milaza fa mila fahatongavan-tsaina miaraka, mila faharesen-dahatra iombonana ny fiarovana ny tontolo iainana. ‘ndao omena lanja koa ireo mpikaroka sy mpiantsehatra mba tsy haha maty momoka ny Ron-Doha laniny amin’ny fikarohana izay hahasoa ny Tranobe iombonana. Mila fiovana fihetsika, araka ny teny nampiasain’ny Papa anaty Ansiklika « laudato si » ny mpisehatra rehetra. Mila fibebahana eo amin’ny fifandraisana amin’ny tontolo iainana isika, hoy indrindra ny Papa François. Fibebahana mitaky fihetsika isan-karazany, izay mifarimbona eo amin’ny fampiroboroboana ny fahafoizan-tena sy ny fitiavana hiaro ny tontolo iainana. Voalohany amin’izany dia ny fahaiza-mankasitraka sy ny finiavana maimaim-poana, na dia tsy misy mpahita sy tsy misy mpahalala aza. Manaraka izany, dia ny fahatsiarovan-tena hitia, ka tsy manapaka ny fifandraisana amin’ny voaary hafa…
Mila miray saina ny zanak’olombelona eran-tany e, manomboka amin’ny mpitondrany avy ka hatrany amin’ny Olompirenena tsirairay. Adaladala ve ny hevitra haroson’ny « Arofanina », raha hilaza hoe : ‘ndao hatao Ady Lehibe fahatelo ny ady amin’ny fahasimban'ny tontolo iainana. Maninona moa raha resena amin’ny ady mahasoa ny ady mahafaty, raha samy hiady ihany ???