♦ Olona 18 vaovao indray no voatily omaly fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-18, araka ny tatitra androany... ♦ Mitohy hatrany ny fandraisan'ny eo anivon'ny CCO Covid-19 ireo fanampiana avy amin'ny malala-tanana... ♦ Namarana ny tatitra nataon'ny Governemanta teo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny Praimisitra Ntsay Christian androany...
Tsy afaka nanatanteraka ny fankalazana ny Alahadin’ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy tamina paroasy iray amin’ny diosezy iadidiny ao Rome i Papa François, omaly, fa nijanona tao amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera.
♦ Ahemotra ny 14 ôktôbra ny fankalazana manetriketrika tokony hatao ny 26 jona ho avy izao, hoy ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mbola velon-taraina amin'ny tsy fahazoany fanampiana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao ireo mpandraharaha sy mpampianatra ao amin'ny Fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara... Ilaina ny fanapritahana ny fanaovana fitiliana any amin'ny faritra mba hahafahana mamoaka voka-pitiliana tena azo antoka, hoy ny Filoha lefitry ny CFM avy any Fianarantsoa...
♦ Miverina amin'ny andavanandro avokoa ny asa rehetra manerana an'i Madagasikara ankoatra ny eto amin'ny faritra Analamanga sy ny ditrika efatra any Toamasina... ♦ Niampy 20 ireo olona voatily ho tratran'ny Coronavirus ary dimy ireo marary sitrana araka ny tatitry ny CCO... ♦ Ankizy simba molotra sy vaky lanilany 500 no tokony hahazo fandidiana avy amin'ny Opération Smile saingy mbola miandry ny fivoaran'ny Coronavirus ny fotoam-pandidiana...
♦ Mila fanarenana haingana ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-pirenena eto amintsika, hoy Andriamatoa Ralison Roger... ♦ Isan'ny dingana lehibe nataon'ny teo anivon'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny ady amn'ny kolikoly sy ny fanamafisana ny fiarovana ny harena voajanahary... ♦ Tsy ny famadihanany ny Licence Taxi ho biométrique no laharam-pahamehana, hoy ny Filohan'ny FTAR...
Alakamisy 18 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15 — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.
Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.
Alarobia 17 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.
Talata 16 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48 — Izay mitandrina ny didin'i Kristy, no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
♦ Ahiana hampakatra indray ny isan'ny ankizy miditra amin'ny sehatry ny asa ny krizy ateraky ny Coronavirus... ♦ Niroso tamin'ny hetsika fanairana nanomboka ny maraina teo ireo Paramed mivondrona ao amin'ny sendikà SISFM... ♦ Nanomboka androany kosa ny fivoriana ara-potoan'ny mpanolo-tsaina monisipaly ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
♦ Niampy 41 indray ireo olona tratran'ny Covid-19 ary miisa 16 ireo sitrana raha ny tatitra omaly... ♦ Vaky ambatolampy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny Minisitry ny Fitsaraba sy ny Sekretera jeneralin'ity Minstera ity, nanoloana ilay mpanakanto nahafaty olona teny Tsarasaotra... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana, manararaotra ny fisian'ny hameha ara-pahasalamana...
♦ Olona 16 vaovao indray no sitrana soa aman-tsara tamin'ireo nararin'ny Coronavirus teto amintsika... ♦ Ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana indray no niatrika ny Solombavam-bahoaka, nilaza ny fandaharan'asany... ♦ Mitaky ny hampakaran'ny parlemantera ny teti-bola ho an'ny sehatry ny rano fisotro madio ny vondron'ireo fiaraha-monim-pirenena...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco