♦ Hafaliana tsy omby tratra ny an'ireo kristianina an'ny Diôsezy Tsiroanomandidy, teo ampitsenàna ny Eveka vaovao, tao Ankadinondry-Sakay, ho an'ny Diôseziny dia Mgr Gabriel Randrianantenaina, rahampitso ny Eokaristia Masina ho fanamasinana azy no hatao.... ♦ Niravona ny disadisa eo amin'ny mpitatitra fiarabe sy ny mnisteran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy... ♦ Mitaky ny hamahàna haingana ny olana momba ny fahatapahan'ny lalana mampitohy ny tapany andrefan'ny distrika Vohipeno sy ny ilany atsimon'ny distrika Ikongo ny mponina mampiasa izany lalana izany...
Misy tarehimarika roa omen'ny mpitsabo rehefa mitsapa tosi-drà ; ohatra 12-8 ka ny voalohany manambara ny tosika voalohan'ny rà ary ilay faharoa dia tosika manaraka izay somary ambany. Raha ilay tosika voalohan'ny rà no latsaky ny (< 9) dia izay no hambara fa ambany ny tosi-drà. Fambara : ankoatra ny tsy maintsy hitsapana azy amin'ny fitaovana voatoka dia mety hahatsiaro ho reraka ilay olona na fanimpanina, misy feo misioka ao anaty sofina na migobona, mety ho tonga amin'ny fahatoranana sy tsy fahatsiarovantena, manjavozavo ny fijery, fanina vao mitsangana tampoka...
♦ Mangataka ny hampitomboana ny teti-bolan'ny faritra ireo governora raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly. Betsaka ny asa hatao saingy tsy maharaka ny teti-bola enti-miasa... ♦ Namondrona ny heriny naneho firaisan-kina omaly ny mpiasan'ny paositra manerana ny nosy. Mitohy ny fitokonana... ♦ Tetik'asa PRODUIR : Nahazo fiarabe "camion citerne" fitanterana rano miisa 05 avy amin'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary fanadiovana...
♦ Mbola mamerina ny antso mba hisian'ny fitoniana sy ny filaminana, ka haneho fifandeferana sy ny hamom-po pôlitika handresena ny kere sy ny Covid-19 ny CFM. Miatrika fivoriana ara-potoana faharoa moa ity rafi-panjakana ity, nanomboka androany... ♦ Niverina nitokona indray androany, ireo mpiasan'ny Paositra Malagasy. Misy ny hetsika firaisan-kinan'ireo mpiasan'ny Paositra manerana ny Nosy, mandritra ny tapak'andro, ho an'ny rahampitso sy amin'ny sabotsy izao...
Talata 13 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24
Alatsinainy 12 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 — 11, 1
Alahady 11 jolay 2021 — Alahady fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13
Fomba ahafahana mampitombo ny voka-bary eto Madagasikara ny teknika fambolem-bary voizin'ny Papriz. Faritra 22 moa no iasan'ity tetik'asa ity izay efa nanomboka niasa tamin'ny taona 2008 tamin'ireo faritra 05 anivon-tany.
♦ Nandray anjara tamin'ilay velan-kevitra nokarakarain'ny masoivoho momba ny fifindramonina vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro ny KMF CNOE-Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Tsy maintsy mandalo fanofanana avokoa ireo mpampianatra hiditra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, tanjona ny hampiakarana ny kalitaon'ny fanabeazana... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny boky vaovao mitondra ny lohateny hoe : "Saina Miabo", nosoratan'Andriamatoa Aimé Rasamison...
Mandalo eo amin'ny fiainan'ny mpivady ny fahadisoam-panantenana. Ny fifampiresahana eo amin'ny mpivady miampy ny fandavantena sy ny fahatozoana no ahafahany mifankahery sy mifanohana amin'izany. Ny faharetana amin'izany no hampisy ny fahasambarana eo amin'ny fiainan'ny mpivady...
♦ Hanomboka anio ary mandritra ny hateloana ny tombana momba ny dingana vita tamin'ny fampiharana ny teti-pivoaran'ny fanabeazana sy ny fomba hanatsaràna izany... ♦ Miantso ny filoham-pirenena, ary mitaky amin'ny HCC tsy hankatoa io lalàna vaovao mifehy ny fananan-tany, vao nolanian'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna ny vonvonam-pikambanan'ny tantsaha... ♦ 21 ny tranga vaovao, 15 avy eto Analamanga, no mitondra ny tsimok'aretina coronavirus tamin'ny fitiliana 500 mahery...
♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hijeren'ny Governemanta ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny na ireo antoko ivelan'ny fitondrana na ireo miara-dia amin'ny mpitondra... ♦ Nanomboka androany ny fitsarana ny CEPE. Eo ho eo ihany ny fahaizan'ny mpiadina ny taranja malagasy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco