♦ Mitokona ny mpampianatra sy ny mpianatra any amin'ny IST Antsiranana. Tsy nahazoam-baliny ny fitakiana efa natao teo aloha, hoy ny mpampianatra... ♦ Nahazo famatsiam-bola 15 tapitrisa dolara avy amin'ny Antenimieram-pirenena Sinoa ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Natao sonia androany, ny fifanaraham-piaraha-miasa momba izany... ♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy, fa voafidy ho Filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny kandida tokana, tamin'ny fifidianana ny 16 oktobra lasa teo, Rasoloarison Monica...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...