Homarihana ny 25 jolay 2021 ny andro maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy renibe ary ny zokiolona, araka ny fanentanana nataon'ny Papa François. MIombom-po amam-panahy amin'ireo zokiolona ny Eglizy maneran-tany  ka manandratra izao vavaka izao :

♦ Nifarana ny tolakandro teo ny fanadinam-panjakana BEPC, ho an'ireo mpiadina nisafidy ny sokajy B... ♦ Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo parlemantera, manomboka ny 3 aogositra ho avy izao, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra androany... ♦ Tsy ministra mahay tsianjery ny velirano 13, fa minisitra manana paikady hanatrarana ny vinan'ny Filoha, no ilaina, hoy ny solombavam-bahoaka IRD...

Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony: "I Joany Batista izay; efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro." Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny. Satria i Joany nilaza taminy hoe: "Tsy mahazo manambady io ianao." Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany. Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: "Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista." Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy. Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany nankany amin’ny tany nahabe azy i Jesoa, ary nampianatra tao amin’ny sinagôgany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: "Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy i Maria va no anaran-dreniny, ary tsy i Jakôba sy i Jôsefa sy i Simôna, ary i Jodà va no rahalahiny ary moa tsy etý amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany?" Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy i Jesoa taminy: "Eo amin’ny tany onenany sy eo amin’ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany." Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo Izy noho ny tsy finoan’ireo.

Tamin'izany andro izany, maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy i Jesoa, dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano. Dia hoy i Marta tamin'i Jesoa : "Raha tatý Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao". Hoy i Jesoa taminy : "Hitsangana ny anadahinao". Fa hoy i Marta taminy : "Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty". Hoy i Jesoa taminy : "Izaho no fananganana sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray ; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Nino izany va ianao?" – "Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak'Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io. Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto mitady voahangy tsara. Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy."

Sabotsy 24 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

Manoloana ny ezaka nataon'ny GERP na ny "Groupe d'Etude et de Recherche sur les Primates" eto Madagascar dia voaaro ny  ala an'i Maromizaha. Paik'ady niarahana niasa tamin'ny Vondron'olona Ifotony. Nirana-niasa tamin'ny fokonolona ny GERP ka isan'ireny : Tangalamena, raiamandreny, vehivavy, tanora. Nanangana sehatra hifanankalozan-kevitra ny GERP ka io no mandinika ny zavatra rehetra hatao manoloana ny fandikan-dalana sy hanatsaràna ny tetikasa. Mba ho famporisihana ny olona sy hanamisana ny fifampifehezana dia nampiofanina hanao fiompiana akoho, fiompiana tantely, fiompiana trondro ny rehetra... 

♦ Tokony sokafan'ny Fanjakàna amin'izay ny orinasa nakatona noho ny antony samihafa hoy Profesora Ralison Roger mpahay toekarena sy fitantanana. Ny ahafahan'ny olona misitrak'asa no tanjona... ♦ Tsy mbola tara ny fitarainana ataon'ireo vovonam-pikambanan'ny tantsaha manao antso avo mitaky ny tsy hankatoavana ny lalàna momba ny fananan-tany nolanian'ny solombabambahoaka ny 30 jona teo ho ny MDB... ♦ Nihazo an'i Japon handray anjara amin'ny lalao olympiques hanomboka ny zoma izao ny atleta malagasy... 

Zoma 23 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 18-23

♦ Hotanterahana eto Antananarivo manomboka ny zoma izao mandritra ny roa andro ny fikaonandoham-pirenena hataon'ny vondron'ny mpanohitra RMDM. Nasaina handray anjara ireo mpikambana any amin'ny faritra... ♦ Nihemotra telo volana ny fotoana fanombohan'ny doro ala sy tanety eto Madagasikara tamin'ity taona ity, hoy ny ministry ny tontolo iainana... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina, tranga vaovao miisa 13 no hita tamin'ny fitiliana miisa 100, ny talata teo, tsy nisy ny lavo... 

Alakamisy 22 jolay 2021 — Masimbavy Maria Madalenina — Lazao anay, ry Maria, izay hitanao teny an-dalana. Ny fasan'i Kristy velona no hitako sy ny voninahitr'Izy tafatsangan-ko velona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1. 11-18

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...