Maro ireo tanora no tsy mahafantatra ny talenta ao aminy, ary lasa mikombona anaty. Tojo fahasahiranana izy ireny ka toroina hevitra mba tsy hikombona amin'ny tenany. Nijery dia nitia azy ireny Jesoa, ary manana adidy hikolokolo sy hikarakara azy ireny koa isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Misy amin'ny tanora tsy lasa lavitra amin'ny fianarana, noho ny antony maro samihafa. Samy manana ny fahaiza-manaony avy anefa izy ireny araka ny sokajy misy azy avy. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary. Tsy natao hampifanipaka ny fahasamihafana fa hifamenoana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Vao tsy ela akory no nisian'ny Sinaoda maneran-tany ho an'ny tanora, taoriana izay dia nandalo teto Madagasikara ny Pape Fransoa. Amin'ny fitsidihina rehetra hataony dia mihaona amin'ny sokajin'olona maro ny Pape Fransoa, ary tsy hadinony ny mihaona manokana amin'ny tanora. Resahina entoana ny loha-hevitra hoe : fikolokoloan'ny tanora ny fahaiza-manaony. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Azo sokajiana ho telo miavaka tsara amin'ny ankapobeny raha resahana ny mahakasika ny fizaràna ny taonan'ny olombelona : ny ankizy, ny tanora, ny antitra ; fa ny tanora no tena maro an'isa. Eo no isehoan'ny hery sy tanjaky ny olona. I Jesoa dia 33 taona no nofantsihana tamin'ny hazofijaliana, maty mba hanavotra antsika, ary mitahiry izany hatanorany izany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Misedra fahasahiranana noho ny tsy fananan'asa vokatry ny fikatonan'ny sisin-tanin'i Madagasikara ny mponina any Nosy-Be, izay mivelona amin'ny sehatry ny fizahan-tany... ♦ Velon-taraina ireo mponina sy mpanjono monina manamorina ny ala honko amin'ny faritra maro eto amin'ny nosy fa potehan'ireo mpifindra monina anaovana arina fandrehitra ny ala honko toerana hiveloman'izy ireo... ♦ Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin'ny distrika Mahabo sy Morondava, Faritra Menabe...
♦ Mitohy mandritry ny 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mbola manohy ny ady amin'ny coronavirus isika hoy ny Praiministra Ntsay Christian alina... ♦ Miisa 9 ny tranga vaovao, mitondra ny coronavirus tamin'ny fitiliana miisa 471 ny Sabotsy 24 jolay teo, miisa 6 no tao Mahatsiatra-Ambony tamin'ireo tranga vaovao miisa 9... ♦ Tsy hahavaha velively ny olana mianjady amin'ny vahoaka Malagasy ny fikasana hifofo ny ain'ny filoham-pirenena hoy ny UNDD, tranga izy melohan'ny antoko tanteraka...
♦ Tanterahina anio tolakandro ny lamesa ho fisaorana an'Andriamanitra sy ny fandevenana an'i mompera Rakotondrasoa Jean Timothée... ♦ Handrasana amin'ity sabotsy ity ny fehi-kevitra mikasika ilay fikaonandoha Nasiônaly nokarakarain'ny RMDM, eny amin'ny By-pass... ♦ Efa eo am-pamaranana ny dingana fitsaràna ilay fifaninanana hidirana ho amin'ny sekoli-pirenena manofana ho mpandraharahan'ny fonja ny tompon'andraikitra...
Ny zaza an-tsoson-koditra dia fiforonana sy fipetrahan'ny zaza ivelan'ny tranon-jaza, Mila fandraisana an-tanana aingana ny vehivavy mahazo zaza an-tsoson-koditra satria mety hafaty raha tsy voatsabo. Misy antony maromaro ny mahatonga ny zaza an-tsoson-koditra ka isan'izany ny fisian'ny tsimok'aretina ao amin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy, olana amin'ilay fantsona mitondra ny atody ho ao amin'ny tranon-jaza, voka-dratsin'ny fifohana sigara noraisin'ilay vehivevy mitondra vohoka...
♦ Nodimandry omaly i Mopera Rakotondrasoa Jean Timoté. Tanterahina anio tolakandro ny fandevenana... ♦ Nanome hafatra ho an'ny mpanohitra ny governoran'ny Faritra Analamanga nandritra ny fanolorany ny fiarabe mpitatitra fako ho an'ny kaominina Ambohidratrimo... ♦ Tsy mbola misy fiatraikany amin'ny fiainam-bahoaka ny asan'ny mpitondra ankehitriny, hoy ireo mpizaika amin'ny fikaonandoha nasiônaly karakarain'ny RMDM, eto Antananarivo...
♦ Nanao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitr'ireo mpanao pôlitika samihafa, manoloana ilay voalaza fa fisian'olona mikasa hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena. Fanehoan-kevitra vitsivitsy no entintsika amin'izao vaovao izao... ♦ Mikaon-doha momba ny raharaham-pirenena, eto Antananarivo, ny avy amin'ny RMDM sy ireo ankolafin-kery. Milaza ho manana vahaolana, manoloana ny fiainam-bahoaka izy ireo, ao aorian'izao fakan-kevitra izao...
♦ Homarihina amin'ny 26 septambra 2021 ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hotanterahana ny volana jolay sy aogositra ny Ezaka fizakana ny Diôsezy... ♦ Nofy, fahatsiarovana, vavaka : ireo no andry telo hanorenana ny ho avy ho an'ny taranaka, hoy ny Papa François, ao amin'ny hafany ho an'ny zokiolona amin'ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, hankalazaina ny 25 jolay izao...
♦ Nisy ny fisavana ny trano fonenan'ny iray tamin'ireo olona voasaringotra tamin'ny fikasana hamono ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina. Basy sy bala niaraka tamin'ny vola be no hita tamin'izany... ♦ Misy amin'ireo foibem-pitsarana fanadinana BEPC, no mamarana ny fitsarana taratasim-panadinan'ireo miadina, anio zoma...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco