Tamin’izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma i Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy nanao hoe: "Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ho avy hanasitrana azy Aho." Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: "Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy, ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy." Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely. Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any Atsinanana sy avy any Andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka, ary i Jakôba any amin’ny Fanjakan’ny lanitra."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...