♦ Nandefa telegrama ho fiombonam-po sy fankaherezana ny vahoaka Malagasy, ny Papa François... ♦ Atolotr'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny vavaka iombonana ho an'ny JMJ Mafa faha-10... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Filohan'ny Repoblika Zambiana, Hakainde Hichilema...
Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49
Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39
Talata 22 febroary 2022 — Fiketrahan'i Masindahy Piera, Apôstôly — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19
♦ Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Vatomandry sy Farafangana rahampitso tolak'andro na ny alina ny rivodoza Emnati, hamakivaky ny afovon-tany, ary hivoaka an-dranomasina amin'ny alarobia... ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity avy hatrany ny fandinihana ny fametrahana ilay mpandrindram-pirenena ny tetikasa PTASO, tetikasa hampiasana vola 25 000 000 dolara, fiaraha-miasa amin'ny BAD... ♦ Mikatona efa ho roa volana izao ny CSB-II any amin'ny kaominina Maharonjy-Ankazobe. Notafihan'ny dahalo roa volana lasa izay, ity tobim-pahasalamana ity...
Ny 21 febroary no andro nofaritan'ny UNESCO hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny. Nanomboka tamin'ny taona 2000 no nanombohana ny fanamarihana izay atao isan-taona. Ny lohahevitra dia ny hoe : Fampiasana teknolojia amin'ny fampianarana mifototra amin'ny fiamaroan'ny teny : fanamby sy soa fanararaotra. Ny fitsipi-pitenenana dia adika amin'ny teny frantsay hoe "grammaire", ary ny fitipi-panoratana dia "orthographe". Ny teny dia fitaovana ampiasaina hifandraisana ao amin'ny firenena iray, fa ny fiteny dia ny fomba hanehoana ilay teny izay misy isam-paritra...
Loza ho an'ny soatoavina moraly maha-olona ny fampitsaharana vohoka. Ny kalitaon'ny aina dia tsy manan-danja mihoatra ny hasin'ny aina maha-olona.Tsy mampihena ny hasina maha-olona ny fiiban'ny kalitaon'ny aina. Noho izany, ny fahasembanana ny zaza ao am-bohoka dia tsy afaka manamarina velively ny fandatsahana ny ainy. Fandaharana momba ny hasin'ny aina iarahana amin'i P. Nicholson Avotriniaina, Doctorant en théologie morale, Université Pontificale Urbaniana
Teny finoana ho an'ny Eglizy katolika ny nampakarana any an-danitra i Masina Maria, izay nambaran'ny Papa Pie XII tamin'ny alalan'ny constitution apostolique "Munificentissimus Deus", ny 01 novambra 1950, constitution apostolique. Ilay Renin'Andriamanitra virjiny madio indrindra, rehefa nahavita ny fiainana teto an-tany dia nakarina vatana sy fanahy any amin'ny voninhaitry ny lanitra. Fandalinana momba an'i Masina Maria miaraka amin'i P. Hervé Solofoarimanana
♦ Miombom-po amin'ny malagasy ny Papa François, mankahery ny vahoaka, ny manam-pahefana ary ny tompon'andraikitra rehetra noho ny fahavoazana vokatry ny rivodoza... ♦ Tamin'ny 5 ora maraina teo tany amin'ny 550 avaratra-atsinanan'i Toamasina no nisy ilay rivodoza Emnati, hoy ny météo,.. ♦ Malalaka amin'ny fanapahan-kevitra raisiny ny ratsa-mangaikan'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, hampiato na tsia ny fampianarana amin'ny fandalovan'ny rivodoza Emnati hoy ny ministera...
♦ Nitohy tany Vangaindrano ny fitsidihan'ny ministry ny fiarovam-pirenena ho fanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai... ♦ Hanao ezaka hampahalala amin'ny vahoaka ny momba ny asam-pitsaràna ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara, hoy ny filohan'ny Mbitanarivo Andriatsihorisoa... ♦ Hahazo fiantohana ara-pahasalamana ireo mpiasa anatin'ny sehatra tsy manara-drafitra mpikambana ao amin'ny Rafitra Sendikaly...
♦ Mananontanina ny morontsiraka atsinanan'ny nosy indray ilay rivodoza Emnati atsy amin'ny ranomasimbe Indiana. Efa ao anatin'ny loza fanairana "loko maintso" ny Faritra Analanjirofo,Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo-atsinanana... ♦ Tafiakatra 14 isa ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Dumako, 10 000 no traboina... ♦ Takian'ny SMM ny hanokafana ny fanadihadiana momba ny raharaha Imibiki Hery Laza, ministra teo aloha...
Isaky ny 14 febroary no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny androbe. Ny androbe dia aretina ateraky ny fikorontanan'ny fiasan'ny atidoha. Ny antony mampikorontana ny asan'ny atidoha dia ny fisan'ny fihenan'ny herinaratra manampy amin'ny asa fibaikoana hataon'ny atidoha. Maro ny antony mahatonga ny androbe : azo hatrany am-bohoka, azo avy amin'ny reny nandritry ny fitondrana vohoka, fahasimban'ny faritra ao amin'ny atidoha, fivontasana na omamiadana amin'ny atidoha...
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco