Alakamisy 24 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 40-49

Ry havana, mitondra fihavaozana mandrakariva i Jesoa ao amin’ny fampianarany. Rano eran’ny vera dia efa saro-bidy aminy satria asa famonjena, indrindra moa fa fanasoavana ireo madinika mino azy dia toy ny atao aminy mihitsy. Tsy misy very maina, tsy misy raraka an-tany izay atao… Fa mafy koa, ry havana, ny tenin’i Jesoa momba ny fanafintohinana : aleo avalan-drano any izay misakan-dalana ny hafa, izay manidy fo tsy mety mibebaka sy izay mikiry biby tsy mety mino.

Esory izay manafintohina, hoy i Jesoa ; esory izay manakana ny lalana tsy hankanesana any amin’Andriamanitra satria ny famonjena mandrakizay no resaka eto. Anio àry sy isan’andro dia miantso antsika ny Evanjely hanao safidy fototra dia ny hoe manontolo ho an’Andriamanitra sy ny hoe mifamonjy sy mifampitantana mankany an-danitra. Mendrika hanaovana sorona ny zavatra rehetra ny fanjakan’Andriamanitra.

Asongadin’i Jesoa ny sira : tano tsara ny sira aminareo ka mihavàna ianareo. Aoka ho mpanome tsiro ny mpiara-belona fa tsy ho mpanome fanafintohinana sanatria. Ny fihavanana sy ny fifankatiavana no mahasambatra. Ary izany no olom-banona : sady mivavaka no mahay miara-miaina sy mifanasoa. Ary i Jesoa mihitsy no manambara any amin’ny andininy hafa hoe : sambatra ny tia fihavanana fa antsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...