Talata 22 febroary 2022 — Fiketrahan'i Masindahy Piera, Apôstôly — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

Ry kristianina havana. Isaky ny 22 febroary ny Eglizy dia mankalaza ny fiketrahan’i Masindahy Piera. Ilay maha lohan’ny Eglizy an’i Piera no tiana holazaina amin’izany. Voalohany miaraka amin’ireo Apostoly rahalahiny izy ; ka isaky ny tanisaina ny anaran’ny Apostoly dia i Piera mandrakariva no lazaina voalohany. I Piera no filoha hita mason’ny Eglizy.

Ambarantsika ao amin’ny fiekem-pinoana fa apôstôlika ny Eglizy : miorina eo ambonin’ny apôstôly vato fototra satria ny Apôstôly dia vavolombelona nahita sy niara-niaina tamin’i Jesoa ka mampita tsy tapaka sy tsy diso izany lalam-pamonjena izany ao amin’ny Papa dimbin’i Masindahy Piera sy ny Eveka dimbin’ny Apôstôly. Izy ireo indrindra no mandray mivantana ny iraka tahaka ny nanirahan’ny Ray an’i Jesoa Kristy.

Ankalazaina manokana moa i Masindahy Piera anio : izy no ilay nantsoin’i Jesoa sy natokany ho mpanarato olona ; izy no ilay nomen’i Jesoa ny fanalahidy ka izay hidiny tsy hisy hamoha, izay hovohany tsy hisy hanidy. Ka eo anatrehan’izao tontolo izao saratsarahan’ny firehan-kevitra dia izy no mampianatra ny marina momba ny finoana sy ny fitondran-tena. Izany no ankatoavantsika ny Papa sy ny Eveka otronin’ny Pretra. Antoka maha iray, masina, katôlika ny Eglizy ny maha apôstôlika azy. Aoka ary ho sarotiny amin’ny Eglizintsika sy ny finoantsika isika ; ary mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka fa izy ireo no famantaram-pamonjena mitondra antsika ao amin’ny Eglizy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...