Sabotsy 07 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Lioka 16, 9-15 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

♦ Dimy amby roapolo taona katroka androany ny nahamay ny lapan'i Manjakamiadana eny amin'ny Rovan'Antananarivo... ♦ Isan'ireo firenena afrikanina sahy niroso tamin'ny fangatahana ireo harena sy vako-pirenena nalain'ny tany ivelany i Madagasikara... ♦ Ny Pastora Docteur Rakotozavy Denis no lany ho Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy...

♦ Santatr'ireo vako-pirenena any ivelany izay takian'ny fitondrana ankehitriny mba averina eto Madagasikara ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan'ny mpanjaka Ranavalona III... ♦ Mbola tsy nisy nahazo rariny ankehitriny ireo nitory sy tsy nankasitraka ny fananganana ny Colisée ao Anatirova... ♦ Veliranon'ny Filoha ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-33bis, izay lalana 20km atao anatin'ny adiny roa...

♦ Napetraka eny amin'ny Rovan'Antananarivo ny satro-boninahitry ny tantarom-piandrianan'ny mpanjaka Ranavalona fahatelo... ♦ Manampy trotraka ny kere iainan'ny mponina any Atsimo ny fisian'ny tafio-drivotra mahery vaika mitondra fasika any amin'iny faritra iny... ♦ Mpifidy vaventy miisa enina sisa no andrasan'Andriamatoa Joe Biden...

05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

Zary fomba amam-panaoantsika amin'izao fotoana izao, na lehibe na tanora na ankizy ny tsy mahay miaina sy tsy mahay mitia. Mamono ankoloka na mivantana ny fampitondrana kitra ny mpiara-belona. Ny fametahana anaram-bositra dia fampitondrana kitra

Ny fifampitokisana no fototra mampirindra ny fifandraisana. (04-11-2020)

♦ Votoatin'ny fifaninanana pika sary karakarain'ny fikambanana T.S.A, miaro ny sokatra eto Madagasikara... ♦ Ny sahona mena... ♦ Fanentanana amin'ny fiarovana ny varika...

♦ Handrasana anio maraina etsy amin'ny seranam-piara-manidina etsy Ivato ny fahatongavan'ny satro-boninahitry ny tantarom-piandrianan'ny mpanjaka Ranavalona fahatelo... ♦ Voafehy ny fisondrotry ny vidin'entana jifaina teto Madagasikara tamin'ity taona ity... ♦ Fifidianana filoham-panjakàna any Etazonia, tsy mbola fantatra ny anaran'izay ho filoha mandritra ny efa-taona manaraka...

04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.

Zoma 06 nôvambra 2020 — Herinandro faha-31 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

♦ Hitohy hatrany ny fitetezam-paritra hataon'ny vondrona panorama... ♦ Hotanterahina ny faha 06 sy faha 07 novambra ho avy izao, eny amin'ny AFT Andavamamba ny hetsika Carrefour de la formation, des métiers et de l'emploi... ♦ Noahafahan'ny pôlisy teo am-pelan-tanan'ilay naka sy nitana azy ankeriny, nonomboka ny faha-13 oktobra lasa teo ny ankizy vavy katolika iray...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...