04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.

Ny taona 1562 dia noteren'ny fianakaviany hanambady i Charles ka lasa izy nankany amin'ny fiainana voatokana, ary nohamasinina ho pretra, ary avy eo voatendry ho arseveka tao Milan ny taona 1565, ary dia nitoetra tao foana mandram-pahafatiny. Niaina tao anatin'ny korontana ity diôsezy nanendrena an'i Charles Borromée ity, ary betsaka ny fanavaozana tsy maintsy nataony tamin'izany. Tsy maintsy nanome ohatra ireo ondriny izy ka nataony toy ny fiainan'ireo mpitoka-monina mpanirery no nitondrany ny fiainany. Tsy nihinana afa-tsy mofo sy rano, indray mandeha monja isan'andro. Namidiny ny fanaka sarobidy, nalany ireo firavaka mirenty. Ny vola rehetra azony dia nentiny nanampiana ny seminera, ny trano fitsaboana, ny sekoly, ary nanamaivanany ny fahorian'ireo mahantra fadiranovana. Tena mafy ny fitsipi-piainana nataon'i Charles Borromée tamin'izany. Ny ora fivavahana dia tsy misy mahazo tsy tonga raha tsy nahazo alalana. Ny pretra rehetra nanodidina azy dia tsy maintsy nanaraka ny fistipika mafy napetrany. Nanorina ankohonam-piainana marina mendrika ny omen'ny Fiangonana izany hoe kardinaly sy eveka maro izany. Novainy ny asa fanompoana tao amn'ny katedraly, tsy misy adinony na dia iray aza ireo sokajin'olona tao amin'ny diôseziny, ary nanorina ny fotrodrafitr'asa rehetra nilaina amin'ny fampivoarana ny fiainan'ny olona izy mba hampamirapiratra ny fiainana kristianina.

Indray andro dia nisy nanafika i Charles Borromée, raha nitarika vavaka tao amin'ny chapelle, nandalo tamin'ny hodiny fotsiny anefa ny bala ka afaka nanohy ny vavaka ihany izy. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny herim-pony tamin'ny mosary tamin'ny taona 1570 sy ny pesta tamin'ny taona 1576 tao Milan. Notsidihiny avokoa ny trano, ny hôpitaly. Namonjy ain'olona maro izy tamin'ny asa fiantrana ka nahatratra fito alina ireo olona nosoaviny. Ny 03 nôvambra 1584 i Charles Borromée no nodimandry, ary tao anaty lavenona no nahitana azy. Nasandratra ho olomasina izy ny taona 1610. Tsy hoe ohatra amin'ny fanavaozana fotsiny i Charles Borromée, na amin'ny fitsidihana ny paroasy fa teo koa ny nanaovany ny kônsilim-paritra enina. Nisy ihany koa sinaody teo amin'ny diôsezy, niisa iraka ambin'ny folo. Ary nanangana filan-kevitra maharitra mihitsy izy mba hampiharana ny fitsipika navoakan'ny Kônsily tao Trente.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...