Sabotsy 27 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48
Ny "ecovillage de Madagascar" dia niforona tamin'ny taona 2014, niainga tamin'ny vina : toerana iray honenan'ny olona maromaro, nivoatra ny vina ka lasa niantsehatra tamin'ny fampiofanana "fambolena lovain-jafy. Fampiofanana 04 isan-taona no vitan'ny fikambanana. Ny fambolena lovain-jafy dia manome lanja kokoa ny tany ary mamerina ny tontolo iainana hiaina, miezaka ny tsy hampiasa zavatra manimba tontolo iainana...
♦ Tsy misy mampanahy ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ny mpamatsy vola vahiny na teo aza ny taratasy filazam-baovao avy amin'ny banky iraisam-pirenena, nivoaka antsokosoko iny taratasy iny... ♦ Tokony sarahana ho ministera roa ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Fanambaran'ny FIAVAMA... ♦ Horaisin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manomboka izao ny fanadiovana sy ny fanesoranany ny fako ao an-drenivohitra. Nofoanana ny SAMVA ka ny SMA no hiantsoroka izany...
♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara amin'ny alalan'ny Vaomiera Mpanara-maso ny Banky sy ny fandraharahana ara-bola na ny CSBF ny fanaraha-maso ny sehatry ny Fiantohana eto Madagasikara... ♦ Hanohana antsika amin'ny fanatanterahana ny politika fiarovana ny fari-dranomasin'i Madagasikara sy ny ranomasimbe indiana i Inde... ♦ Lavin'ny antoko mpanohitra any Niger ny vokatry ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Nibata ny fandresena tamin'izany i Mahomed Bazoum...
♦ Nandaha-teny nandritra ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny toe-karena aty afrika, andiany faha-20, ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina. Noresahany ny paik'adin'i Madagasikara sy ny fanarenana ataon'ny fitondrana... ♦ Afindra amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara, amin'ny alalan'ilay vaomiera mpanara-maso ny banky sy ny fandraharahana ara-bola, ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana eto Madagasikara...
Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka ny fanaintaina ny fisotroana rano mafana...
♦ Nisy indray ny habibiana amina resaka tsy fandriam-pahalemana. Olona 9 mianaka no voalaza fa nodoran'ny dahalo velona tao amin'ny trano fonenany tao amin'ny kaominina Mahasoa,Betroka... ♦ Mpiasan'ny CROUA eny Ankatso miisa 4 no voalaza fa noesorina amin'ny asany, noho ny fitakiana karama 2 volana... ♦ Hivory anio hariva ny komity mpanantanteraky ny federasiona malagasin'ny baolina kitra, handinika ny kianja handraisan'ny Barea an'i Niger...
Zoma 26 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26
♦ Sazy mihantona telo volana miampy lamandy 50.000 Ariary no azon'ny mpisolovava, zanaky ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, momba ilay raharaha rongony nanenjehana azy... ♦ Nilaza omaly ny teo anivon'ny holafitry ny mpisolovava fa tsy ara-drariny ary tsy ara-dalana ny nanenjahana an'i Maître Francesca, momba izao raharaha izao ka nanambara ny tsy hipetra-potsiny izy ireo....
♦ Nivoaka androany ihany ny didm-pitsarana momba ny raharaha nahavoarohirohy ilay mpisolovava, zanaka vavin'ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy ara-drariny izao fanenjehana izao, hoy ny eo anivon'ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara... ♦ Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity koa androany ny eo anivon'ny EMOREG. Nilaza izy ireo fa tsy misy idiran'ny resaka politika ny fisamborana io mpisolovava io ny faran'ny herinandro teo...
Alakamisy 25 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 7-12
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco