Sabotsy 27 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

Taomin’i Jesoa isika ho amin’ny fahamasinana na ny fahalavorariana, ka hoy Izy hoe : “Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”. Raha nahary izao rehetra izao Andriamanitra tany am-piandohana dia hitany fa tsara izay rehetra nataony, ka izany fahatsarana izany no mitondra tsikelikely amin’ity fahalavorariana ity ; izany hoe ny hiverenantsika hatramin’ny nahariana antsika tany am-boalohany. Noho izany, izay atao rehetra dia tokony hikatsahana io fahalavorariana io. Ialàna izay tsy mety ary hatsaraina izay efa hita fa tsara mba ho amin’ny tsaratsara kokoa mandrakariva ; izany hoe mandavorary ny asa atao rehetra. Eto izao efa voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha ny hoe : “Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao” Fa nataon’i Jesoa ho lavorary kokoa izany ka lasa hoe : “Fa Izaho kosa milaza aminareo : Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo ; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo”. Tsy namafa izay voasoratra Izy fa nanatsara azy ho amin’ny lavorary sy mendrika kokoa. Tsy mora anefa izany fa mila finiavana sy fitiavana ka ezahana tanterahina hatrany. Fa azo isorohana izany ny hoe : aza mitsangan-ko fahavalo, mamorona fahavalo amin’ny fiainana fa ny fihavanana sy ny fifankatiavana no hampanjakaina, amin’izay manjary lanitra ny tany. Izao anefa, ny ratsy tsy kely lalana fa mitady ny handaboka antsika mandrakariva izy, ka mitandrema.

Manaraka izany, isan’ny toetran’Andriamanitra ambaran’i Jesoa amintsika eto ny tsy manavaka : fa na ratsy na tsara omeny masoandro foana, omeny ranonorana na ny marina na tsy marina. Isika anefa maika hanavaka, hanilika ka mizahozaho, mieboebo ; ka izay tsy mitovy firehena, volon-koditra, firazanana, antoko na fikambanana na iray tampo aza ka mahavita tsara sy lasa ambony noho ny tena dia mitady hevitra hamingampinganana azy ireny, foanana anaty lisitra, tsy omena avara-patana. Tsapa amin’izany fa tena manalavitra ny toetran’Andriamanitra mihitsy. Tsy manaha-dRay isika amin’izany fa miova lasy mihitsy ka mila miverina ilalana, mibebaka. Isan’ny takiana amintsika izany amin’izao karemy izao. Ny resaka politika no misy mpomba na mpanohitra ny fitondrana fa isika kosa samy zanak’Andriamanitra ka iray ihany eo anatrehany. Ny rantsam-batana no misy karazany maro amin’ny tena kanefa miombona ho iray ihany mandrafitra ny vatana manontolo ; ka aoka isika tsy hifanavakavaka izany fa toetra mamohehitra sy tsy sahaza ny maha zanak’Andriamanitra antsika izany. Ny kisoa no mifanondro molotra fa isika kosa mifanohintohina sy mifanohatohana hatrany, mikatsaka ny fahamasinana, iantsoana antsika. Koa alao hery dieny izao, hiandrandrana ny Paka ho avy, hisantarana ny Paka mandrakizay iombonantsika indray andro any. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...