Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa, ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: "Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia, sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.’ Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro."
Alatsinainy 1 novambra 2021 — Fetin'ny Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a
♦ Miantso ny kristiana rehetra hijoro ho vavolombelona sy tsy hanaiky ny fanalan-jaza amin'ny endriny rehetra ny FJKM... ♦ Tsy afaka handray miaraka ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo sy ireo efa nahavita fifaninanana hidirana amin'ny taona voalohany eny Ankatso ny FLSH... ♦ Olona iharan'ny fanolanana miisa 3 hatramin'ny 10, no tonga manatona ny ivon-toerana Centre Vonjy eny Befelatanana...
Alahady 31 oktobra 2021 — Alahady faha iraika amby telopolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34
Toetra ilaina amin'ny fivoaran'ny tena ny fananana hazon-damosina. Ny fahasahiana mijoro amin'ny maha-izy ny tena dia ahafahana manamafy orina ny fahatokisan-tena sy ny fanantenana ary ny finoana ka tsy ho mora handairan'ny famoizam-po. Fotoana fanorenana ny fahatanorana ka tsy tokony hanjeny ny andro ho lava, ary tsy miasa irery fa miaraka amin'i Kristy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Mba hahamafy orina ny maha-izy ny tena dia ilaina mandrakariva ny fifampizaram-piainana amin'ireo ray aman-dreny. Ny fifanankalozan-kevira no miteraka ny fifampitokisana ary mampisava ny tahotra. Toetra iray, tokony halavirina ny fivadiham-pitokisana sy ny fanaovana " tsobo-drano-Ramiangaly " satria tsy mampivoatra izany. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
♦ Hisitraka vaksiny Johnson Johnson maherin'ny 300 000 avy amin'ny governemanta amerikana i Madagasikara. Ho raisina etsy Ivato, amin'ity maraina ity... ♦ Maherin'ny 130 kg ny volamena nokasaina sy efa nivoaka an-tsokosoko teo Madagasikara tao anatin'ny 3 taona. Mitaky sazy ho an'ireo mpanondrana ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena... ♦ Manome 3 andro ny tompon'andraikim-pahefana ny SDVELM manoloana ny fitazomana am-ponja ireo namany miisa telo...
♦ Amin'izao fivoriana ara-potoanan'ny solombavambahoaka izao, no aroso any amin'ireo filoham-boamiera, ireo antotataratasy 12, fitoriana olona ambony, voarain'ny HCJ... ♦ Mitaky ny mangarahara momba ny tohin'ilay fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Vory avokoa ankehitriny ny ilaina, hanatanterahana ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, araka ny velirano fahafito hoy ny ministra Edgard Razafindravahy, tany Taolagnaro, omaly...
Ny fananana hazon-damosina dia tsy midika ho fikatonana ao amin'ny tena. Ilaina ny fifandraisana sy fifampizarana amin'ny hafa, toy izany koa ny fahatokisan-tena. Mitaky faharetana sy fitozoana ihany koa ny fiainana koa rehefa manomboka zavatra iray dia ezahana mandrakariva ny hahatratra ny tanjona manoloana ireo sedra samihafa. Katesizy momba ny fananana hason-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Betsaka ireo tanora no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazana eo amin'ny fiainana. Isan'ny anton'izany ny hakamoana sy ny fiononana fotsiny amin'izay eo an-tanana. Mandiso hevitra azy ireo ny fampanantenana poakaty sy manodoka izay mitondra mankany amin'ny hafaliana sandoka. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja manoloana ireny. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Maro ireo tanora no tsy mahalala ny maha-izy azy. Eo am-pifaneraserana amin'ny hafa, ao anatin'ny fanekena sy ny fanajana ny fahasamihafàna no hahafahana mitrandraka izany. Ilaina ny mahatsapa ny fifamenoana ary amin'izany no hahafantarana ny andraikitra sy ny anjara toerana eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco