Alahady 31 oktobra 2021 — Alahady faha iraika amby telopolo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34

Inona no voalohany amin’ny didy rehetra ? Io no fanontaniana napetrak’ilay mpanora-dalàna tamin’i Jesoa. Ny didim-pitiavana anefa no namalian’i Jesoa azy izay nosokajiany roa.

Ny voalohany dia ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo, saina sy fanahy ary ny hery manontolo ; Izy no tokony ho tiana voalohany sy ambonin’ny zavatra rehetra. Ny fitiavany antsika olombelona mantsy dia tsy mba mivadika na oviana na oviana. Ny faharoa dia mitovy amin’izay ihany : ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Ny namana dia ireo olona rehetra tsy an-kanavaka, eny na dia ireo heverintsika fa fahavalo aza. Noho izany, tsy afaka misaraka ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana.

I Jesoa dia nahatanteraka izany didim-pitiavana izany tamin’ny alalan’ny Hazofijaliana. Noho ny fitiavany an’ilay Andriamanitra Rainy dia nanaiky ny sitrapony Izy ny hijaly sy ho faty eo ambonin’ny Hazofijaliana. Ary noho ny fitiavany antsika olombelona rehetra ihany koa, dia nafoiny ny ainy teo ambon’io Hazofijaliana io ihany. Sady fatra-pitia an’ Andriamanitra Rainy izay naniraka Azy i Jesoa, no fatra-pitia ny olombelona izay nanirahana Azy ihany koa.

Didim-pitiavana àry araka izany no irin’Andriamanitra hiainantsika ary io koa no antoka hidirantsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...