Ny fanarenana ara-batana dia hatao amin'ny alalan'ny fitsaboana "Kinésithérapie" na amin'ny alalan'ny fampiasana fihetsika. Ny teny hoe " Kinésithérapie" dia avy amin'ny voambolana roa : "Kinésis" midika ho fihetsika ary ny "thérapie" mira ho fitsaboana. Ireo olona hotsaboina amin'ny alalan'ity fomba iray ity dia matetika nandalo tamin'ny mpitsabo ary ity farany no manome taratasy mazava fa mila manao "kinésithérapie ilay marary, aorian'izay vao mandalo fanadihadiana amin'ny mpitsabo "kinésithérapeute"
♦ Tanterahana anio ny fifidianana ireo birao vaovao maharitry ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Hivory handinika ny fananganana ilay rafitra mahaleo tena hiarovana ny asa fanaovan-gazety ireo tsy miombon-kevitra amin'ity fifidianana ity... ♦ Ho maimaimpoana avokoa manomboka izao ny fandraisana voalohany amin'ny vonjy voina eny anivon'ny hôpitalim-panjakàna manerana ny nosy, vita sonia omaly ny fametrahana tahiry ahafahana miroso amin'izany...
♦ Notanterahina androan'ny fanaovam-beloma farany an'i Masera Soszynska Krystyna, FMA, misonera salezianina polonaise, niasa teto Madagasikara... ♦ Ho maimaim-poana avokoa manomboka izao ny fandraisana an-tanana voalohany amin'ny vonjy voina, eny anivon'ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy. Natao sonia teny amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany, ny fametrahana ny tahiry hahafahana manao izany...
♦ Notanterahina ny 15 oktobra 2021 tao Ampasanimalo ny fanaovam-beloma farany an'i Masera Soszynska Krystyna, FMA... ♦ Nanomboka androany ny dinika momba ny Sinaodin'ny Eveka, ho an'ny Diosezin'i Morondava sy Tsiroanomandidy... ♦ Nosokafana ny 7 oktobra 2021 ny taom-pianaran'ny Sekoly katolika ho an'ny Diosezin'Antsiranana...
Talata 19 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38
♦ Nolavin'ny RMDM ny fanasana azy ireo hiady hevitra miaraka amin'ny TRMDM, ao amin'ny TVM, anio zoma. Notakiany ny hisokafan'ny adihevitra amin'ny mpitondra... ♦ Takian'ny GARDUC ny fampitsaharana ny fampiharana ny Tarif Optima. Nankasitrahany koa ny fanalana ny Tale Jeneralin'ny JIRAMA... ♦ Mitohy ny famotorana sy ny fanadihadiana momba ilay famakiana banky tany Andohan'Ilakaka. Nohenoina ny tompon'andraikitry ny banky vaky...
Alatsinainy 18 oktobra 2021 — Masindahy Lioka, evanjelista — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Lioka 10, 1-9
Alahady 17 oktobra 2021 — Alahady fahasivy amby roapolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 35-45
♦ 63 taona katroka androany no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara. Nahatsiaro izany ireo Sojabe, tany amin'ny Distrikan'i Mandritsara izay nipoiran'ny Filohan'ny Repoblika voalohany... ♦ Atao mitovy avokoa ny Karinem-pokotanin'ny malagasy rehetra, manaraka ny toetr'andro sy ny fivoaran'ny teknolojia. Tsy hahafahana manao hosoka intsony, hanamora ny fanisam-bahoaka sy ny asan'ny tondfram-panjakana ary ny fanomezana ireo fanampiana ara-tsosialy...
Herintaona mialohan'ny hahataperan'ny tetik'asa Fy Vary, nahitam-bokany ny fkarohana natao mba hampiroboroboana ny teknika famokaram-bary ho an'ireo faritra telo iasany : Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro.
♦ Manome 72 ora ny tompon'andraikitra amin'ny fampianarana ambaratonga ambony ny mpianatra ao amin'ny "Faculté des sciences" Université Antananarivo, hamaha ny olana misy... ♦ Manaitra sy mitaky amin'ny Vondrona Eorôpeana sy ny Governemanta malagasy hampiasa ny fomba rehetra hametrahana sy hanaovana sonia fifanarahana ara-drariny, mangarahara ary miantoka ny faharetan'ny asa fanjonoana ny ROHY... ♦ Hanomboka rahampitso ny FEPA andiany faha-12 eny amin'ny MPE Nanisana, nitombo ka lasa 120 ny isan'ny trano heva. Miara-miombon'antoka ny FAO sy ny Ministera...
Ny kolontsaina " ny tokontrano tsy ahahaka" dia avy amin'ny soatoavina maha-malagasy ary ny fijery maha-kristiana. Misy fetrany ihany anefa izany raha tonga any amin'ny tsy azo hanoharana ka ilàna ny fanampian'ireo olona natokana ho amin'izany.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco