Herintaona mialohan'ny hahataperan'ny tetik'asa Fy Vary, nahitam-bokany ny fkarohana natao mba hampiroboroboana ny teknika famokaram-bary ho an'ireo faritra telo iasany : Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro.

Nahomby ny teknika hampitomboana ny voka-bary amin'ny tanimbary anivon-tany tsy dia mamokatra firy noho ny tsy fahampian'ny singa miantoka ny fitomboan'ny vary ao aminy, indrindra fa ny Phosphore ; dia ny teknika P-Dipping. Teknika vaovao, tsotra ny fampiasàna azy anefa nanatsra sy nampitombo ny voka-bary tamin'ireo andrana natao...

Eo andalan'ny fanaparitahana azy ankehitriny ny teknika amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny tetik'asa PAPRIZ sy ny orinasa iray mpamokatra anam-pamokarana Hirika iray ahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-bary ny fampiharana sy ny fanaparitahana ny teknika P-Dipping hoy ny tale jeneralin'ny fambolena ao amin'ny ministeran'ny fambolena, ny fiompiana Ramaroson Lantonirina.

Fiaraha-miasan'ny governemanta Malagasy sy ny governemanta Japoney amin'ny alalan'ny JICA sy ny JST mandritra ny 5 taona, nanomboka ny taona 2017 ny tetik'asa Fy Vary...

Voka-tsoa hafa tamin'ny tetik'asa ankohatra ny P-Dipping ny fahafahan'ny malagasy mpikaroka nanovo fahalalana tany Japon...

Teo ihany koa ny nahitàna masomboly vary vaovao miisa telo, fohy tsingerim-piainana, mampitombo ny vokatra, ary mahatohitra ny fiovaovan'ny toetr'andro. Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy nandritra ny fivoriana fahadimy ho an'ny komity miara-mandrindra ny tetik'asa teny amin'ny Hotely Colbert Antaninarenina ny anaran'ireo vary ireo, ny 12 oktobra 2021 lasa teo. Nosoniavina nandritra izany ny fanomezana fitaovana ahafahana manatsara hatrany ny fikarohana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...