Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.

Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .

Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.

Lany fanindroany tamin’ny fifidianana manaraka teo ho recteur majeur i mompera Angel Fernandez Artime dimbin’i Don Bosco. Niangavy ny fikambanana salezianina maneran-tany izy mba hanao vavaka hasivin’ny andro tammin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina mba hiarovana an’izao tontolo izao tsy ho tratry ny areti-mandringana COVID-19 ny olombelona rehetra.

31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.

30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.

29 marsa — Ny Gladys resahana dia ilay mpanjakavavy sady mpanirery galloise tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'izany fotoana izany mantsy i Pays de Galles dia nizarazara ho fanjakana kely bretons, ka nitondra fanjakana iray tamin'ireo i Gwynllyw sy i Gladys vadiny.

28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.

27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.

26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.

25 marsa — Mampahatsiahy antsika ny andro nandraisan'i Maria tao Nazareta ny filazan'ny arkanjely Gabriel fa hitoe-jaza izy, ity andro ity. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia ny Fanahy Masina no hanorotoro io zaza io ao an-kibony.

24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...