Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Notanterahina ny 2 hatramin’ny 27 aogositra lasa teo ny "FY DON BOSCO" tamin’ity taona 2020-2021 ity. Lohahevitra nodinihana manokana tamin’izany ny hoe "Entanin’ny fanantenana isika", "indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21, 5). Isan-taona, ny tontolo salezianina eto Madagasikara dia mikarakara an’io hetsika "FY DON BOSCO" io, atao mandritra ny fialan-tsasatra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin’ny mpianany: "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao tsy hitanao? Ary ataonao ahoana no filaza amin’ny rahalahinao hoe: ‘Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin’ny masonao’ nefa ny sakamandimby ao amin’ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin’ny masonao; izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.
Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa. Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa. Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany. Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.
Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa."
Filazana ny razan’i Jesoa Kristy, Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama: I Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy; i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna; i Esrôna niteraka an’i Arama; i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna; i Salmôna niteraka an’i Bôôza tamin’i Rahaba; i Bôôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rota; i Obeda niteraka an’i Jese; i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka; i Davida niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria; i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Asà; i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama; i Jôrama niteraka an’i Oziasa; i Oziasa niteraka an’i Jôatama; i Jôatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa; i Ezekiasa niteraka an’i Manase; i Manase niteraka an’i Amôna; i Amôna niteraka an’i Jôsiasa; i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy, tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna. Ary rahefa nifindra tany Babilôna, i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela; i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela; i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda; i Abioda niteraka an’i Eliakima; i Eliakima niteraka an’i Azôra; i Azôra niteraka an’i Sadôka; i Sadôka niteraka an’i Akima; i Akima niteraka an’i Elioda; i Elioda niteraka an’i Eleazara; i Eleazara niteraka an’i Matàna; i Matàna niteraka an’i Jakôba; ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria izay niteraka an’i Jesoa, ilay natao hoe i Kristy.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Jôsefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy. Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina, sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro ny anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: "Ry Jôsefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany." Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: "Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe amintsika Andriamanitra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina. Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly: dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i Andre rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy, i Matio sy i Tômà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty, ary i Jodà rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka, izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto, ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.
Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: "Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany." Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?" Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: "Ahinjiro ny tananao." Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
♦ Homarihana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Eglizy Iraka Masina Misely Arkanjely, ao Antsiranana... ♦ Nifarana omaly ny fiofanana ntaon'ireo katesista 66 mianadahy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanao antso avo amin'ny mpino katôlika, ny Papa François, mba hifady hanina sy hivavaka ho an'i Afghanistan...
♦ Nomarihina nanomboka ny 26 aogositra 2021 ny fankalazana ny faha-80 taona naha "Vicariat apostolique" an'i Miarinairvo... ♦ Ny pretra fransiskanina no hitantana ny sanctuaire mitondra ny anaran'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, ao Farafangana... ♦ Mifandraika ny lalana sy ny fahafahana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy nandirtra ny "Audience générale", ny alarobia 25 aogositra 2021...
Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: "Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?" Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?" Sady nampiany hoe: "Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata."
Tamin’izany andro izany, ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe: "Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?" Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo." Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: "Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao. Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’"
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco